Mbola misy eto Madagasikara ny aretina habokana. Nihaona tao Fianarantsoa ny mpiantsehatra rehetra miady amin’ny habokana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, ny faran’ny herinandro teo. Manamafy ny ady atao, nanao jery todika sy nandrafitra ireo paikady. Marihina fa maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana izany eto Madagasikara. Ao anatin’ny fotoana […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
« Afondasin’Andohalo ». Hanafana ny sehatry ny « Afondasin’Andohalo » ny zoma 29 septambra 2023, i Princio. Hisongadina manokana mandritra io hetsika io, araka izany, ny hiran’ity mpahay kanto malaza ity. Hisy hatrany anefa ny sehatra misokatra ho an’ny rehetra sy ny hetsika nahafantarana ny “Afondasin’Andohalo” hatramin’izay. « Kitantara ». Hitondra ny sombiny amin’ny asa sorany […]
FANTINA sy FINTINA
Raikitra indray ny “Angaredona” amin’ny haino aman-jery. Hiverina haneho hevitra amin’ny haino aman-jery maromaro ireo mpomba ny kandidà 11, ny alakamisy izao ary hitohy isan’andro. Hanomboka amin’ny 9 ka hatramin’ny 12 ora ny fandaharana ary hifandimbiasan’ny lohahevitra maromaro. Haneho hevitra ireo sehatra hafa rehetra. Manome herinandro hifampidinihana momba ny raharaham-pirenena […]
TSELATRA
Hotohoton’ny afo ny trano miisa roa tao amin’ny fokontany Madiotsifafana, distrikan’Ambatondrazaka, omaly maraina. Nivadika ho lavenona avokoa ny entana rehetra toy ny fanaka sy ny fahitalavitra. Tsy nisy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny afo. Niezaka nifehy ny firehetana ny fokonolona saingy nanao sarotra izany. Jiolahy telo lahy nandroba […]
SOMBIM-BAOVAO
« Lalaon-tsaina Echecs ». Natao ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny CGM Analakely, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Echecs, sokajy Vétérans sy vehivavy. Tafiditra anatin’ny politikan’ny federasiona izao ho fanomezan-danja ny sokajy rehetra. Mpilalao Echecs nisongadina teo amin’ny vehivavy Rakotomaharo Faratiana, izay nahazo fandresena. Araka ny vaovao navoakan’ny Malagasy Rugby omaly, […]




