28 ny isan’ny hopitaly efa vitan’ny fitondrana hatramin’izao, raha 100 ny CSB tafatsangana. CSB 205 eto Analamanga no nahazo fampitaovana 100% hampihodinana ny asa manakaiky vahoaka, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny Itaosy. Manerana ny Nosy, 2 200 ny CSB nahazo fitaovana amin’ny ampahany. Efa voazara avokoa ny taratasy […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Le Pavée – Rija sy Lalie «Raha tsy ho ahy»… fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina sy i Lalie io. Tsy afaka am-bavan’ny mpankafy hatramin’izao. Efa ela no tsy nisy ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto, saingy hotanteraka kosa ny fanirian’ny rehetra anio, amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Le Pavée Antaninarenina. IFM Analakely –JS […]
SOMBIM-BAOVAO
Volley Analamanga Hotanterahina, ny faran’ity herinandro ity, ny manasa-dalana sy ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Ny sabotsy no hatao ireo lalao manasa-dalana mbola tsy vita, eo amin’ ny sokajy U16, U18 ary U20. Efa fantatra kosa fa hifandona amin’ny famaranana ny ekipan’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy tanteraka hatramin’ny fotoana farany ny fanonganana ny ampahany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Nirava maina koa ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote, tokony ho natao omaly, tamin’ny 10 ora maraina. Nahemotra tamin’ ny 2 ora tolakandro izany ary nokasaina hatao maraina ny fanonganana. Tsy tanteraka avokoa izany na […]
TSELATRA
Mpandeha efatra naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny RN34, teo Pomay, omaly maraina. Taksibrosy niainga tao Morondava nikasa hihazo an’Antananarivo ity tra-doza ity. Nentina notsaboina ao Malaimbandy avy hatrany ireo naratra. Matetika mampitaraina ny mpandeha ny tsy fanajana ny hafainganam-pandehan’ny taksibrosy sasany amin’izao fotoana. Tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe […]