Tselatra

Vaovao tambatra

Ho tapaka ny fifamoivozana amin’ny lalam-pirenena faha-2. Voakasik’izany ny eo amin’ny PK 61 hatramin’ny PK63, anio zoma, ny talata 14, ny zoma 17, ny talata 21 ary ny zoma 24 janoary. Antony, noho ny fanapoahana vato ilaina amin’ny fanamboaran-dalana. Tsy misy ny fivilian-dalana, mandritra ireo fotoana ireo. Tsy ampy 100 000 […]

Fantina sy fintina

Hatao any Nosy Be, ny avrily izao, ny fivorian’ ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata, afakomaly, teny Iavoloha. Hotanterahina eto amintsika, ny volana aogositra kosa, ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc. Nitory ny “24h Mada” teny amin’ny sampana heloka ana habaka, teny […]

Tselatra

Renim-pianakaviana hita faty tao Toamasina, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Mpandalo no nahatsikaritra io ramatoa io tao anatin’ny ahitra, teo amin’ny lalan’ny fahaleovantena. Matin’ny hanohanana io ramatoa io, araka ny loharanom-baovao. Notanana am-ponja ireo telo lahy tratra nangalatra kisoa tao Ambodisaha Imerintsiatosika, ny alatsinainy 6 janoary teo. Karohina ireo roa […]

Sombim-baovao

Fantatra ny firafitr’ireo ekipa malagasy roa hiatrika ny Passion Pétanque Française (PPF 2025). Hia­raka ry Tselonina sy Racle ary Nanou. Hitambatra iray kosa i Baloty sy i Tianakely ary i Zigle. Fifaninanana izay hatao ao Aix-en-Provence France ny 15 sy 16 febroary ho avy izao. Ho fanomanan’ny Barea ny «Chan […]

Indray mijery

 Toa zary iri-mahaory ny rivodoza amin’ny toerana sasany satria tena io no heverina hahazoana orana sisa. Maina loatra ny tany, miandrandra orana ny ankamaroan’ny faritra maro fa tena mijaly ny fambolena. Tsy mbola hay na hipaka aty amin’ny afovoantany izay efa tena karakaina ny orana entin’ilay andro ratsy na tsia. […]