Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy tompona rongony milanja 60 kg, tao Betroka, afakomaly. Nokasaina haparitaka ireo rongony ireo saingy voasavan’ny mpitandro filaminana tampoka ny valizy nitondrana azy. Mitohy ny fanadihadiana. Naiditra vonjimaika any am-ponja ireo olona roa tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Ambatoboeny, afakomaly. Notapahin’izy […]
Tselatra
TSELATRA
Jiolahy 200 voasambotry ny Corps urbain Tsaralalàna, tarihin’ny Commissaire de police Sorodany Fritz Hermann tato anatin’ny iray taona monja. Tamin’ity herinandro ity , 10 ny mpanendaka sy olon-dratsy voasambotra. Tsy mitsitsy an’ireo jiolahy sy tontakely mamotika fiarahamonina ny Polisim-pirenena, indrindra ny ao amin’ny Corps Urbain, ahitana ny CUI, ny UIR […]
TSELATRA
Lehilahy iray maty nilatsaham-potaka tany Behenjy, distrikan’Ambatolampy, afakomaly hariva. Tra-doza teo am-piandrasana omby tany an-tsaha izy, raha ny fanazavana voaray. Avy ny orana tamin’io fotoana io, nilatsaka sy nirefotra tampoka ny varatra ka nahavoa azy. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. May ny tendany sy ny […]
TSELATRA
Nosoloina ny CB sy ny delege miasa eo anivon’ ny kaominina Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, taorian’ ny fitokonana nataon’ny fokonolona. Ny fisian’ny tranga kolikoly sy fangalana vola tsy ara-drariny momba ny fanoratana omby anaty boky sy taratasin-tany tamin’ny vahoaka tao an-toerana no antony. Dahalo nangala-basy tao Beroroha Atsinanana, lavon’ny balan’ny zandary, ny […]
TSELATRA
Olona roa namoy ny ainy teny amin’ny RN7 noho ny lozam-pifamoivoizana. Fiara 4*4 iray nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka teo Ampitatafika, Antanifotsy, omaly maraina. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambatolampy ilay fiara fitateram-bahoaka. Niditra ny lalana somary miholaka ny roa tonta, tsy nifankahita ka izao nifandona izao. Maty tsy tra-drano ny mpandeha […]




