Tselatra

TSELATRA

Kamiao nitondra vary sivy taonina nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1 Bis), tsy lavitra ny tetezan’Ihazomay, omaly. Niainga avy any Bemahatazana io fiara mpitatitra vokatra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo. Tapaka ny hisatra ka voatery nadonan’ny mpamily tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Tsy nisy nahina ny ain’ireo olona roa tao anatiny. […]

TSELATRA

Fasana efatra nisy namaky tany Antambo­hobe, fokontany Mangatany, kaominina Arivonimamo, ny sabo­tsy alina lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’ izany, ny razana am-polony. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ireo mponina manodidina. Tonga nanao ny fanadihadiana ny manam-pahefana. Nanatanteraka asa sosialy tany Manakara ny polisy avy amin’ny Brigade féminine de proximité […]

TSELATRA

Nitohy ny sabotsy 6 desambra teo ny « Opération Mahomby » ataon’ny polisim-pirenena miasa eo Antananarivo Renivohitra. Manao fisafoana eny anivon’ny elakelan-trano sy toerana maro anatin’ny boriborintany miisa enina izy ireo. Tanjona ny hisorohana ny asan-jiolahy sy ny mpanararaotra akaiky andro fety tahak’izao. Mpamaky trano roa lahy tratra teny Anosipatrana Andrefana, naiditra […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy, 42 taona, mpamilin’ny fiara kely peugeot 405. Izay nandona ankizy mpianatra tetsy Soavimasoandro, lalana eny Tsarasoatra, ny 1 desambra hariva lasa teo. Niampita teo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ireo ankizy ireo no nofoah’io mpamily io. Ny 3 febroary 2026 hoavy izao, ny fotoam-pitsarana […]

TSELATRA

Noraisin’ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly, ireo niharam-boina sy ireo fianakavian’ny namoy havana tamin’ny raharaha fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza, ny volana jona lasa teo. Angatahin’ ireo fianakaviana ny handraisana an-tanana ireo mbola marary. Eo koa ny hijerena ireo fianakaviana anaty alahelo vokatry ny dona noho ny famoizana zanaka, havana, namana. Takin’izy […]