Tselatra

TSELATRA

 Nahazo fahafahana madiodio, ireo fito lahy voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana zazavavy iray tao Tsimenatse, Toliara. Niharan’ny fanolanana faobe  ilay zazavavy 13 taona, ny 22 febroary teo. Na­nao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ka voasambotra izy 7 lahy. Taorian’ny voka-pitsarana omaly, afaka avokoa ireo nahina ho nahavanon-doza.  Nidoboka am-ponja ny mpisoloky, […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy tafiditra ao anatin’ny ekipan’ny Paris Saint Germain, Randriamamy Mathyas, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Malagasy mpiandry tsatoby, mila ravinahitra any ivelany. Araka ny vaovaon’ny RMC, tsy ao anatin’ny lisitry ny mpanazatra vaovao izy. Resy nanoloana ny mpifanandrina taminy, tamin’ilay fifaninanana «Tournoi Casely», taranja tenisy, ny Malagasy mpilalao, Rakotondrainibe Sampras. Fifaninanana […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitohy hatramin’ny 31 jolay ny fetrandro farany fanaterana ny antontan-taratasy, famaliana antso amin’ny tetikasa GEF6-AMPs. Miompana amin’ny « fanitarana sy fanatsarana ny tambajotran’ny faritra arovana an-dranomasina eto Madagasikara » ny tetikasa. Vatsian’ny GEF vola. Nohavaozina ny mpikambana ao anatin’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy malagasin’ny akoranafo, “Office Malagasy des hydrocarbures”, (OMH). Tapitra ny volana avrily […]

INDRAY MIJERY

Mpampianatra 603 no nisitraka fampiofanana nanerana ny Ecole Normale Supérieur (ENS) efatra eto Madagasikara avy amin’ny tetikasa “Perform”, izay fiaraha-miasan’ny sekoly ambaratonga ambony ENS sy ny AUF ary vatsian’ny “Erasmus+”. Tanjona ny hananan’ireo mpampianatra fahaiza-manao amin’ny fampitana ny lesona amin’ny teny frantsay sy ny fampiasana ny haitao avo lenta. Nahazo […]

Taratry ny kanto

Nodimandry, teo amin’ny faha-58 taonany, i Laulo na Ramiandrisoa Ralimihanta Laurence. Mpiten­dry vata maroafitsoka fahiny tao amin’ny tarika Dillie, mpanao sary sy mpanao gazety anisan’ny nanokatra ny onjam-peo RLI, efa tao amin’ny gazety L’Express de Madagascar ihany koa. Ralimihanta no anarana nentiny tao anatin’ny fandaharana “Destination Madagascar”, RLI. Nahazo ny […]