Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

«Volley-ball». Misokatra hatramin’ny 11 oktobra, ny fanaterana antontan-taratasy ho eo amin’ny toeran’ny Tale teknika nasionaly, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball. Fepetra maro no takina ka anisan’izany ny fananana ny CAPEN (Certificat d’aptitude pédagogique de l’ecole normal) sy ny dilpaoma ambony, niveau 4 (ANS). “D2 National  Poule des AS». Hotanterahina any […]

INDRAY MIJERY

Kaoperativa 7 no nanamafy ny fahaiza-manaony amin’ny sehatry ny fitaterana ny alarobia teo, niaraka tamin’ny ATT. Fanofanana ho an’ireo olona rehetra miantsehatra amin’ny fitaterana sy mahakasika ny rafi-pitaterana nahitana loza no natao. Nisitraka ny fiofa­nana ny mpamily, ny mpivarotra tapakila, ny mpama­totra entana miisa 64, tompona fiara… Fotoana mampirongatra ny […]

TARATRY ny KANTO

«Haisoratra: rakitry ny lasa, fanohitry ny ho avy». Tanterahina ny sabotsy 30 septambra 2023, tolakandro, ao Tsararano Mahajanga, ny «Alim-betso», karakarain’ny Faribolana Sandratra, sampana Mahajanga. Hetsika entina mankalaza ny faha-5 taonan’ity sampana iray ity. Fifampizarana eo amin’ny samy poeta, larona antsan-tonokalo no hameno ny fandaharam-potoana. Princio- Afondasin’Andohalo. Handravaka ny hetsika […]

VAOVAO TAMBATRA

Mbola ambany ny famokarana katsaka eto Mada­gasikara. Milanja 260 000 t monja ny vokatra eto amintsika ka mahatonga antsika manafatra izany. Mahavokatra 6 tapitrisa t isan-taona i Tanzanie raha mahatratra hatramin’ny 15 tapitrisa t isan-taona kosa ny vokatra azo ao Afrika atsimo. Mitentina 31 tapitrisa dolara ny vola hananganana ny lalana […]

FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronon’ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta teny Mahazoarivo, ny iraky ny ONU, tarihin’i Parfait Onanga-Anyanga. Naharitra ora 2 ny fihaonana momba ny ho fiatrehana ny fifidianana. Nihaona tamin’izy ireo koa avy eo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Niaraha-nidinika ireo dingana samihafa amin’ny zotram-pifidianana. […]