Hivoaka amin’ny 20 jolay ny rejisitra nasionaly taorian’ny nifaran’ny fe-potoana nahafahan’ny olompirenena manamarina farany ny anarany tao anaty lisi-pifidianana. Miditra amin’ny fampiakarana ny lisitra sy ny takelaka fanisana eny foibe informatika eny anivon’ny distrika ny rantsamangaikan’ny Ceni avy eny amin’ny fokontany, ankehitriny. “Hiara-miasa ny ady amin’ny kolikoly. Asa vadi-drano, tsy […]
Tselatra
TSELATRA
Lehilahy lehibe iray 77 taona nosamborin’ny polisy tao Toliara, ny faran’ny herinandro teo fa Nanolana zazavavy 8 taona. Manana fahatarana ara-tsaina io zaza io ka nohararaotin’ity lehilahy lehibe ity. Noho ny fanahiana, nentin’ny ray aman-dreniny nozahana ilay zaza. Niharan’ny fanolanana tokoa izy, araka ny fanamafisan’ny mpitsabo. Mpangalatra moto saron’ny polisy […]
SOMBIM-BAOVAO
Alefa any amin’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (CAF), amin’ny alatsinainy ho avy izao, ny anaran’ireo ekipa roa hisolo tena an’i Madagasikara, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Afrika. Ho fantatra rahampitso izay ho tompondaka. Ho tontosaina, anio sabotsy sy rahampitso alahady, eny amin’ny kianja PAC Ampitatafika ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanohy ny fampiharana ny hetsika “Saemaul Undong” i Madagasikara. Hatomboka eny amin’ireo tanàna vaovao hanaovana ny tetikasa ‘titre vert” izany. Mifototra amin’ny hevi-dehibe telo ny “saemaul undong”, ny ezaka iraisana ho amin’ny fanovana ny toe-tsaina, ho amin’ny fahaleovantena na fiatrehana irery ary ny fiaraha-miasa ka ahafahana mampivoatra koa ireo fiarahamonina […]
TARATRY ny KANTO
Hisehatra indray, anio, ny Tropy Jeannette. Mbola ilay tantara “HM” ihany no hasehon’izy ireo etsy amin’ny Tranompokonolona Analakely, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Piesy klasika nosoratan-dRakoto de Mon Plaisir, ravahan’ny hiran’Andrianary Ratianarivo izy ity. Seho natao ho an’ireo mpianatra, izay hiangaviana hitondra ny karatra famantarana. Hifidy ny filohany ny Zanadranavalona. […]