Tselatra

TSELATRA

Noraisim-potsiny ny telo lahy mpifoka rongony, tao amin’ny fokontany Ambaniavaratra, kaominina Fenoa­rivo, afakomaly. Amin’ny andro atoandro, midoroka io zava-mahadomelina io eny ankalamanjana izy telo ireto. Nidina itofony, sarona teo am-pifohana rongony ary efa mandrevirevy ireto telo lahy ireto. Nentina teny anivon’ny biraon’ny zandary Fenoarivo izy ireo. Nahatrarana rongony koa teny […]

VAOVAO TAMBATRA

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay teratany Israelianina tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny herinandro teo. Saika hanondrana sokatra 59 izy ka izao voasambotra izao. Miisa 2 ny kandidà hisafidianan’ny filankevitry ny minisitra hitantana ny Jirama. Tany am-boalohany, miisa 19 ireo nirotsa-kofidiana, ka ny 5 ihany no Malagasy. Nihena ho […]

INDRAY MIJERY

28 ny isan’ny hopitaly efa vitan’ny fitondrana ha­tramin’izao, raha 100 ny CSB tafatsangana. CSB 205 eto Analamanga no nahazo fampitaovana 100% hampihodinana ny asa manakaiky vahoaka, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny Itaosy. Manerana ny Nosy, 2 200 ny CSB nahazo fitaovana amin’ny ampahany. Efa voazara avokoa ny taratasy […]

TARATRY ny KANTO

Le Pavée – Rija sy Lalie «Raha tsy ho ahy»… fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina sy i Lalie io. Tsy afaka am-bavan’ny mpankafy hatramin’izao. Efa ela no tsy nisy ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto, saingy hotanteraka kosa ny fanirian’ny rehetra anio, amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Le Pavée Antaninarenina. IFM Analakely –JS […]

SOMBIM-BAOVAO

Volley Analamanga  Hotanterahina, ny faran’ity herinandro ity, ny manasa-dalana sy ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Ny sabotsy no hatao ireo lalao manasa-dalana mbola tsy vita, eo amin’ ny sokajy U16, U18 ary U20. Efa fantatra kosa fa hifandona amin’ny famaranana ny ekipan’ny […]