Tselatra

Tselatra

Nahatratra 132 ireo olona voasambotra tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (tao ireo mpivarotra sy mpifoka, ankoatra ireo mitsindrona) nandritra ny volana avrily 2023 teo. 219 875 g ireo rongony tratra raha 849,6 g ny héroine ary 2 300 g ny crystal Méthamphétamine. Manoloana izany, nisy ny fanentanana nataon’ny polisy misahana ny […]

Indray mijery

Nanofana ireo mpilatsaka an-tsitrapo teto Anala­manga ny Croix Rouge malagasy, hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo rehefa misehatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola miaraka amin’ny fanohanan’ny FICR sy ny Croix Rouge Alle­mande, Luxembourg ary Frantsay izany. Bisikileta miisa 171 nozaraina ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika […]

Sombintsombim-baovao

Judo-Eran-tany Anjaran-dRamiandrisoa Haingoniaina indray no hiakatra an-tsehatra anio, ao anatin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany taranja Judo, sokajy Seniors. Hifaninana eo amin’ny sokajin-danja mihoatra ny 78 kg izy, manoloana ilay teratany Koreanina, laharana faha-82 maneran-tany, i Park Sayetbyeol. Tsiahivina fa eo amin’ny laharana faha-67 maneran-tany no misy an’i Haingo ary mitodika […]

Indray mijery

Mandritra ny fotoan’ny ririnina, toy ny fanao isan-taona, manamaivana ny vesatry ny fianakaviana amin’ny fanatanterahana ny forazaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanterahina manerana ny Nosy, anatin’ny varavarana misokatra, amin’izao fotona izao, eny anivon’ny hopitalin’ny distrika sy ny faritra manerana ny Nosy ny forazaza. Maimaimpoana ny fanaovana azy hanampiana ny mpiara-belona. Vahoaka […]

Tselatra

Nahitana ilan-tongotr’olona teny akaikin’ny tsenan’ Anjanahary, omaly maraina, tsy lavitry ny fasam-bahiny. Somary masaka ilay tongotra ary tsy mbola rava ireo nofo. Tsy nahitana diana kaikitra ihany koa ity ilan-tongotra ity. Tonga teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera ary ny BMH nijery izany. Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i […]