Hatao rahampitso sy ny zoma ho avy izao, eny amin’ny esplanade Ankatso, ny hairanty fampahafantarana ireo lalam-piofanana eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Manodidina ny 35 000 ny isan’ny mpianatra manaraka fampianarana isan-taona, anisany ireo vao nahazo ny mari-pahaizana bakalorea teo. Hanampy azy ireo hisafidy ny lalam-piofanana ny hairanty. Nanome fonosan-tsakafo 4 000 […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Miditra ny mpianatra. Na efa mahaliana ireo ray aman-dreny aza ny mahita ny zanany mianatra ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy any am-pianarana, mbola mavesatra ho azy ireo ny saram-pianarana natokana ho an’izany. Ny ankamaroany, miangavy amin’ny tomponandraikitry ny sekoly mba ho maimaimpoana ny fianarana azy ireo. Mivelatra be sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Mampitaraina ny mponina sahady ny fahatapahan-jiro matetika. Lasibatra ny fihariana madinika, indrindra ireo miankin-doha amin’ny herinaratra. Mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ihany koa izany. Matahotra ny mpiara-belona manoloana ny asan-jiolahy isan-karazany. Mpikambana 23 avy amina kaoperativa roa avy ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, misehatra amin’ny famokarana masomboly fambolem-bary, no nisitraka fiofanana […]
FANTINA sy FINTINA
Hanao fanambarana ny haha kandidà azy na tsia ny filoha Rajoelina, anio. Hotanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, Mahamasina izany ary hatrehin’ireo mpikatroka TGV, avy nanao kongresy sy ireo fikambanana na antoko politika hafa. Efa nanapaka ny hanolorana azy ho kandidà ny fihaonambe teny Ivato, omaly. Kandidà nanatitra […]
TSELATRA
Nirefodrefotra ny basy teny Alakamisy Fenoarivo, omaly hariva. Jiolahy roa maty voatifitry ny zandary, iray tratra, iray tafatsoaka. Nikasa hanao fanafihana tranombarotra ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny zandary. Basy Kalachnikov iray tratra. Nitohy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny lonilony teo amin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion sy Maurice momba ilay penalty […]




