Tselatra

Tselatra

Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nodomin’ny fiara teny By-Pass, omaly. Fiara iray nandeha mafy no nifaoka ilay niharam-boina. Lasa nitsoaka anefa ilay fiara. Nanao izay ho afany ihany ny olona teo amin’ny manodidina nahita ny loza saingy tsy nahazo ny laharan’ity fiara namoa-doza ity.   Manao ny ataony koa […]

Indray mijery

Niditra nianatra ny 6 marsa daholo ireo mpianatra ao amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Vatovavy, taorian’ny fiatoana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Na nisy aza ireo sekoly simba sy ravan’izany rivodoza izany dia nisitraka tranolay 124 avy amin’ny Unicef sy efatra avy amin’ny Save the children ny faritra ka narafitra natao […]

Indray mijery

Tanterahina any amin’ny faritra Androy ny tetikasa Mianatra. Ankizy anarivony no misitraka sakafo an-tsekoly mitondra otrikaina. Sekoly 18 any an-toerana no hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa McGovern-Dole International Food for education and Child Nutrition izany. Tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fambolena ara-bola. Ao anatin’ny 5 taona manaraka, fatran-tsakafo mitondra […]

Tselatra

Avotra soa aman-tsara ilay zaza varira nalaina an-keriny tao Vangaindrano herinandro vitsy lasa izay. Hita afakomaly, tao amin’ny fokontany Andriambe, kaominina Ambatolahy, distrikan’Ih­sy izy. Velon’aina ilay zaza raha notrohan’ireo tsy mataho-tody kosa ny ampahan’ny rany. Vokany, olona miisa dimy no voasambotra tamin’ity raharaha ity raha mbola karohina kosa ireo efatra […]

Tselatra

Nahitana fatim-behivavy iray tao amin’ny fokontany Sazomena kaominina Sahatavy distrika Vavatenina omaly. Maty tao anaty toeram-pitrandrahana volamena ity vehivavy ity. Potika tanterana ilay vata-mangatsiaka ary tsy misy hamantarana azy intsony.