Tselatra

Indray mijery

Ankoatra ny famangiana ireo mpianatra traboina vokatry ny firehetan’ny Cité Prefat N Andrainjato, nataon’ny minisitry ny Fampianarana ambony, Pr Cha­minah Loulla, nihaona tamin’ireo Conseils de direction koa ny tenany. Noresahina ny mahakasika ny lalàna mifehy ny fifidianana Filohan’ny Oniversite, ny ora fa­nampiny ary ny kalitaon’ny fampianarana. Noho ny olana ara-tsolika, […]

Taratry ny kanto

Anisan’ireo handray anjara amin’ny « Festival de rire 2025 » i Miranto Godar, mpanao hatsikana manana ny lazany, nipoitra tao anatin’ny dimy taona farany. Anisan’ny hahafantarana azy ny tsikiny vantany vao hita. Zary lasa anto-pivelomana ho azy moa ny hatsikana noho izay talentany izay ka lasa mpanao hatsikana matihanina sy […]

Fantina sy fintina

Handeha mivantana amin’ny TVM/RNM, anio amin’ny 4 ora, ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’ ity taona ity. Hitarika izany ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Tsiahivina fa niato noho ny fialantsasatry ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izany. Nanao rodombe teny Antanimora ireo lohandohany eo anivon’ny vovonana Firaisankina sy […]

Tselatra

Zazavavy roa, 9 sy 11 taona, hita faty natsinge­van’ny farihin’Andraikiba, Antsirabe. Nentina vehivavy iray ireo zaza miisa roa, nanomboka nifampitadiavan’ny fianakaviany, ny alahady tolakandro teo. Hita faty voalohany ilay 11 taona, ny alatsinainy teo. Natsikafin’ny rano ilay sivy taona, omaly. Tsy nisy akanjo, nahitan’ny fianakaviany ratra ny vatan’ireo namoy ny […]

Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]