Mbola karohin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray anisan’ireo nanolana ankizivavikely 13 taona tao Tsimenatsy-Toliara. Voasambotra sy atao famotorana kosa ireo namany enina hafa. Tsiahivina fa efa iray volana taorian’ity zava-doza ity vao sahy nitantara ny zava-nahazo azy ilay zazavavy. Noraketina an-tsary sady naparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanolanana natao azy.
Tselatra
Tselatra
Lavon’ny zandary ny jiolahy roa lahy tao Ambohimanga, fokontany Antsahondra, Kaominina Ambohitompoina, Distrika Antanifotsy ny zoma 17 febroary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ny fokontany ireto olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Nampandre avy hatrany ny zandary ireo fokonolona. Nidina nijery ifotony ny zava-misy ny zandary. Nirifatra ireo dahalo mirahalahy vao […]
Indray mijery
Hanokatra ny taom-pambolen-kazo amin’ity taona 2023 ity ny Tily eto Madagasikara ny alarobia 15 febroary izao eny amin’ny Tranombitsika Antsahamarofoza. Manao fanamiana ary mitondra ireo fitaovana ahafahana manao ny fambolen-kazo ireo rehetra hanatrika izany. Ny 22 febroary kosa no mifanentana ny Tily rehetra amin’ny fanomezan-dra maimaimpoana hotanterahina eny amin’ny CRTS […]
Tselatra
Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa ireo olona miisa enina voarohirohy ho naka an-keriny an’ilay tovovavy 19 taona mpianatry ny polytech ny 04 janoary teo. Tsiahivina fa natao takalonaina tao Andranomisa, kaominina ao ihany sy distrikan’Anjozorobe ity tovovavy ity. Navotsotr’ireo mpaka an-keriny izy ny 24 janoary teo. Tratra tamin’ izay koa ireo […]
Tselatra
Sambokely iray no rendrika teo amin’ny seranan-dakana tao Anosinakoko Farafangana, omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Olona telo no tao anatiny ka ny iray nitsambikina raha mbola tsy hita popoka kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Natolotra ny fampanaovana omaly ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana […]