Tselatra

Fantina sy fintina

Mbola mitoetra ny lonilony sy ny halako bika tsy tiako tarehy ataon’ny mpitondra, araka ny nam­bara’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly. Anton’izany ny tsy nanohanan’ny fitondrana ny firotsahan-kofidin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimam­pia­nina Hery, ho filohan’ny Vondrona afrikanina. “Efa maro anefa ireo mpanohana sy niaiky ny fahaizany”, hoy izy. “Tena […]

Vaovao tambatra

Mihena iray metatra ny haavon’ny rano any Andekaleka, miantoka betsaka ny herinaratra mamatsy ny tambajotra iraisan’Antananarivo (Ria). Mahatonga izany ny vanim-potoan’ny maintany, ka tsy maintsy ahena ny tosiky ny rano ahafahana mameno ny tohodrano manosika ny milina mamokatra herinaratra any Andekaleka, Mandraka ary Antelomita. Hitohy ny delestazy, noho izany, omaly […]

Indray mijery

Loza mitatao ho an’ny tanora ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida. « Tokony ho tonga saina izy ireo satria ahitana taha ambony amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina ny Oniversite », hoy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka. Manao hetsika manokana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanentanana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Hisantatra ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, ny […]

Sombim-baovao

Tsy tafita amin’ny dingana manasa-dalana, lalao Olympika Paris 2024, i Sidonie Fiadanantsoa, Ma­lagasy vehivavy mpihazakazaka 100 m misy fefy. La­harana fahenina izy omaly, ary 13 segondra sy 12 ampahazatony no nahavitany ny hazakazaka. Mihintsana izy taorian’izay “répechage” nataony omaly izay. Resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 3 no ho 0, i […]

Fantina sy fintina

Nohamafisin’ny filankevitry ny governemanta omaly, fa hatao ny 11 desambra ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina rehetra manerana ny Nosy, na ambonivohitra na ambanivohitra. Tsy niova amin’ny tolo-kevitry ny eo anivon’ny Ceni izany ny tetiandro ary izao nankatoavin’ny fitondram-panjakana izao. Voatendry ho tale jeneraly vaovao eo ani­von’ny Bianco Razakamanantsoa Gaby […]