Mpitondra moto voafaokan’ny taxi-be tetsy Pullman Ivandry, omaly tolakandro. Nisongona io fiara fitateram-bahoaka io ity farany. Nahay niala kosa ilay mpitondra moto ka voasoroka ny loza. Nisy fahavoazana ny moto vokatry ny loza. Zazavavy kely vao iray volana sy tapany nisy nanary tao amin’ny fokontany Ambohipierenana Ankazoambo, Ambositra, omaly atoandro. […]
Tselatra
TSELATRA
Fatin-dehilahy efa simba sady nifatotra hitan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohitsara Avaratra, kaominina Antsoha, distrikan’i Mandritsara, afakomaly. Lehilahy zarazara fihodirana, manodidina ny 40 taona mahery eo, io namoy ny ainy io. Nifatotra tanteraka ny tanany sy ny tongony. Novonoin’ny olon-dratsy tany amin’ ny toeran-kafa io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny […]
TSELATRA
Jiolahy iray tratran’ny polisy niditra antsokosoko tao amina tokantrano iray teny Antsalovana Antohomadinika, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora. Nopitsohiny ny varavarana ary nalainy ireo finday telo tao an-trano. Taitra sy naheno izany ny tompon-trano ka nampandre ny polisy sy nanaitra ny fokonolona. Nifanenjehana ilay jiolahy ka nifanehitra tamin’ny […]
TSELATRA
Mpiambina amin’ny toeram-pisakafoana iray tao Antsahakely, kaominina Antsirabe, hita faty nihaohoka tamin’ny tany, omaly maraina. Ahiana ho novoin’ny tsy mataho-tody io lehilahy io. Lehilahy iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ambohimanarina, afakomaly alina. Mamo io lehilahy io ka tsy nahafehy intsony ny tenany. Lehilahy nanolan-jaza 1 […]
TSELATRA
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany Moratsiazo, kaominina Ampefy, Soavinandriana, faritra Itasy, omaly. Tra-doza, nifatratra tamin’ny tranon’ olona ny fiara tsy mataho-dalana iray, nivadika ihany koa, nandritra izany. Olona telo no tao anatiny. Maty tsy tra-drano ny mpamily. Olona roa hafa naratra mafy, efa nentina nihazo ny hopitaly. Nandeha mafy ny […]




