Vehivavy iray naratra nianjera avy eny ambony kamiaobe iray, nandritra ny fampielezan-kevitra an’ny kandidà iray teny Andoharanofotsy, omaly. Nihinjakinjaka teo ambonin’ilay fiarabe izy kanjo tratran’ny fihonjonana tampoka ny fiara teny am-pandehanana. Nianjera avy eny ambony fiara izy. Folaka ny tongony ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nitohy kosa ny fampielezan-kevitra na teo […]
Tselatra
TSELATRA
Naiditra eny am-ponja ny sabotsy 7 desambra teo, ireo efa-dahy nanolana vehivavy teny Miadana, kaominina Alasora. Nanamparan’izy efa-dahy filan-dratsy io vehivavy io ary notrobaran’izy ireo vy ny lohany ka tsy nahatsiaro saina. Maty notifirin’ny olon-dratsy ny talen’ny CEG Amboniakondro Avaratra, kaominina Ambohibary avaratra, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Manjaka ny tsy fandriampahalemana any […]
TSELATRA
Notrongisin’ny fiara 4×4 iray ny andrin-jiron’ny Jirama eny Ankorondrano, omaly. Nandeha mafy hihazo ny lalana mankany Ivandry ity fiara ity kanjo tra-doza tampoka. Tsy vitan’izay fa mbola nifatratra tamina fefy tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Potika ny lohan’ny fiara saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy na teo aza ny dona […]
TSELATRA
Zazalahy 13 taona hamonjy toeram-pianarana tapa-tongotra niharan’ny lozam-pifamoivoizana tampoka, tao Toamasina, omaly. Mpianatry ny CEG ity tra-doza ity. Nisy olona nijanona tampoka ka antony niteraka ny loza. Io ankizy io izay nandeha “pousse-pousse”. Vatan-dehilahy 200 nanampy ny tomponandraikitra nanala ilay taksiborosy tra-doza tao Betroka, omaly. Hisorohana ny tranga tahak’ilay niseho […]
TSELATRA
Nitrangana firehetana tanety teny amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro. Tsy fantatra ny niandohan’ny firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ny manodidina. Voatery niato mihitsy aloha ny sidina noho ny fifehezana ny afo. Niverina tamin’ny laoniny ihany anefa izany. Mandeha ny famotoran’ny zandary. Tafakatra dimy ny […]