Tselatra

TSELATRA

Noraisin’ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly, ireo niharam-boina sy ireo fianakavian’ny namoy havana tamin’ny raharaha fanapoizinana niseho teny Ambohimalaza, ny volana jona lasa teo. Angatahin’ ireo fianakaviana ny handraisana an-tanana ireo mbola marary. Eo koa ny hijerena ireo fianakaviana anaty alahelo vokatry ny dona noho ny famoizana zanaka, havana, namana. Takin’izy […]

TSELATRA

Hita omaly atoandro ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy 11 taona natelin’ny ranomasin’Ampasi­man­­droro, Maintirano, ny alahady tolakandro teo. Na­haritra telo andro ny fikarohana azy. Tany amin’ny 30 km niala ny toerana nisy azy farany no nahitana ny razana. Nilalao ranomasina niaraka tamin’ny namany miisa roa izy, saingy nentin’ny rano tany amin’ny lalina ary […]

TSELATRA

Jiolahy mpamaky trano voasambotry ny polisy niaraka tamin’ny entana halatra teny aminy tetsy Anto­homadinika, ny 28 novambra lasa teo. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray tamin’ny andro atoandro io olon-dratsy io. Nobatainy ny fahitalavitra lehibe iray. Hitan’ny fokonolona izany ka tratra ilay mpanao ratsy. Ramatoa iray mpivarotra anana hita faty tao […]

TSELATRA

Vehivavy iray tokony ho 25 taona hita faty tao anaty tatatra, teny amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, omaly maraina. Tsy fantatra ny fianakaviany ary nanapa-kevitra ny hitazona ny razana ny kaominina eny an-toerana. Tsy nahitana ratra ny vatany, raha ny fahitana ny razana. Zatovolahy iray tokony ho 12 taona tratran’ny fokonolona […]

TSELATRA

Lehilahy iray 23 taona, voasambotry ny polisy tetsy Andavamamba Ambilanibe, omaly tolakandro tamin’ny 3 ora tolakandro. Voarohirohy nangalatra sy mi­vondrona ao anatin’ny fikambanan-jiolahy manao fanafi­hana mitam-piadiana izy io. Niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny olon-tsotra lasibatra ny 16 novambra lasa teo, no nahafahana nisambotra azy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, ny vola 600 000 […]