Tselatra

TSELATRA

Lehilahy 52 taona tratra nanolan-jaza 8 taona teny Ambohitrimanjaka. Nanamparan’io lehilahy io ny filan-dratsiny ilay zazavavy, ny 28 oktobra teo. Nitaraina tamin’ny ray aman-dreniny ilay zaza. Marihina fa vao avy nisazy noho ny fanolanana nataony ity lehilahy voasambotra ity. Andrin-jiro iray nirehitra tampoka teny Tanjombato, omaly. Nandady tamin’ny vatan’ilay andrin-jiro […]

TSELATRA

Gadra miisa roa tafaporitsaka tao amin’ny fonjan’i Tsiafahy, omaly. Manana andraikitra ao an-dakozia ireo voafonja nandositra ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra ao an-toerana. Maty tsy tra-drano, lanin’ny voay ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Fitampito, distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Nikasa haka rano hosotroina io ramatoa io kinanjo norombasan’ny voay. Niantso […]

TSELATRA

Naratra ny renim-pianakaviana iray nendahin’ ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Anosibe, omaly atoandro. Mody niditra toy ireny mpandeha ireny ilay jiolahy teo Anosizato Atsinanana. Niala teo amin’ny fiantsonana eo Anosibe Tsena izy ka nalainy an-keriny ny finday teny am-pelatanan’ny renim-pianakaviana iray sady nivoaka ny varavaran’ny fiara izy. Mpandeha iray […]

TSELATRA

Tafatsofoka tao ambany fiara ireo olona voado­nana teny Ambohimiandra, omaly hariva. Ahina mafy ny fahasalaman’izy ireo raha ny vaovao voaray farany. Vokatry ny fandehana mafy no voalaza fa antony nahatonga ny loza. Azon’ny miaramila teny am-pelatanan’ireo malaso, ny faran’ny volana oktobra 2024 teo, ny zazakely nisy nangalatra tao Malitsy, kaominina […]

TSELATRA

Mpitondra moto iray naratra mafy nifandona tamin’ny fiara teny Tsarasaotra, omaly alina. Ankoatra io, zazalahy kely, zanaka teratany vahiny iray naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny an-toerana, afakomaly. Nivadika ny fiara nitondra ity farany. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa antony nahatonga ny loza.