Tselatra

TSELATRA

Olona roa namoy ny ainy teny amin’ny RN7 noho ny lozam-pifamoivoizana. Fiara 4*4 iray nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka teo Ampitatafika, Antanifotsy, omaly maraina. Avy aty Antananarivo hihazo an’Ambatolampy ilay fiara fitateram-bahoaka. Niditra ny lalana somary miholaka ny roa tonta, tsy nifankahita ka izao nifandona izao. Maty tsy tra-drano ny mpandeha […]

TSELATRA

Efa hita omaly avokoa ireo olona enina nanao­vana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera. Tsy nahazahoana vaovao kosa ny antony tsy nahitana azy ireo. Marihina fa tsy hita popoka nanomboka ny sabotsy tolakandro teo, teto Antananarivo izy rehetra ireo. Nisy antso an-tariby nanafatra azy ireo ho any Anosiavaratra, ny sabotsy tamin’ny 9 […]

TSELATRA

Olona roa, lahy sy vavy, niara-nosamborin’ny mpitandro filaminana noho ny fambolena zava-mahadomelina teny Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, omaly. Naha­­trarana fototra rongony 20 naniry tao amin’ireo olona ireo. Roa lahy mpisoloky amin’ny alalan’ny kalanoro sandoka nosamborin’ny mpitandro filaminana tao Main­tirano, afakomaly. Nahazoan’izy roa lahy vola mitentina 20 tapitrisa, niampy firavaka volamena […]

TSELATRA

Mpamily taxi-be 015 sy mpanampy azy samy nohazonin’ny polisy rehefa tratra nandika lalàna teny amin’ny Rond point Isotry, ny 11 novambra teo. Nihodina an-dalana izy roa lahy ary mbola nanevateva ny mpitandro filaminana. Naiditra am-balam-pamonjana avy hatrany ny fiara. Dahalo mpaka an-keriny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, avotra ilay takalonaina tao […]

TSELATRA

Fiara fitateram-bahoaka, zotra 144, iray tapaka transmission tetsy Avaradoha, omaly tamin’ny 4 ora hariva. Nizotra hiakatra an’Ampasapito ity fiara iray ity, feno mpandeha izao nisy olana tampoka izao. Saika niharan-doza noho ny lalana miakatra ireo tao anaty fiara. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ireo mpandeha anefa, vao nahavita fitsirihana “visite […]