Vehivavy telo voasambotry ny polisim-pirenena teny Andraisoro, ny 9 desambra 2025, tokony ho tamin’ ny 11 ora atoandro, lasa teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Andraisoro Ampasambahiny izy ireo. Nofatorany ny mpanampy tao amin’ilay trano ary nalain’izy ireo ny vola 2 000 000 Ariary, tablette iray, finday telo […]
Tselatra
TSELATRA
Kamiao nitondra vary sivy taonina nivadika teny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1 Bis), tsy lavitra ny tetezan’Ihazomay, omaly. Niainga avy any Bemahatazana io fiara mpitatitra vokatra io ary nikasa hihazo an’Antananarivo. Tapaka ny hisatra ka voatery nadonan’ny mpamily tamin’ny sisin-dalana ny fiara. Tsy nisy nahina ny ain’ireo olona roa tao anatiny. […]
TSELATRA
Fasana efatra nisy namaky tany Antambohobe, fokontany Mangatany, kaominina Arivonimamo, ny sabotsy alina lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy, tamin’ izany, ny razana am-polony. Tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ireo mponina manodidina. Tonga nanao ny fanadihadiana ny manam-pahefana. Nanatanteraka asa sosialy tany Manakara ny polisy avy amin’ny Brigade féminine de proximité […]
TSELATRA
Nitohy ny sabotsy 6 desambra teo ny « Opération Mahomby » ataon’ny polisim-pirenena miasa eo Antananarivo Renivohitra. Manao fisafoana eny anivon’ny elakelan-trano sy toerana maro anatin’ny boriborintany miisa enina izy ireo. Tanjona ny hisorohana ny asan-jiolahy sy ny mpanararaotra akaiky andro fety tahak’izao. Mpamaky trano roa lahy tratra teny Anosipatrana Andrefana, naiditra […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy, 42 taona, mpamilin’ny fiara kely peugeot 405. Izay nandona ankizy mpianatra tetsy Soavimasoandro, lalana eny Tsarasoatra, ny 1 desambra hariva lasa teo. Niampita teo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ireo ankizy ireo no nofoah’io mpamily io. Ny 3 febroary 2026 hoavy izao, ny fotoam-pitsarana […]




