Tselatra

TSELATRA

Nidina an-dalambe naneho ny tsy fahafaliany noho ny fahatapahan-drano miseholany ny mponina teny Ankatso sy ny manodidina, omaly maraina. Naharitra antsasak’adiny mahery ny fitokonana nataon’izy ireo. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny raharaha ny polisim-pirenena izay nihatrana teny an-toerana. Taolam-paty 23 gony saron’ny fokonolona tao Ampatalana-Maheriraty, Farafangana, ny alin’ny 1 avrily […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny rehetra tsy hiraviravy tanana ny eo anivon’ny FFKM, tamin’ny hafatra Paka. “Raiso ho hery sy fanantenana vaovao ho antsika, iatrehana ny ankehitriny, fa velona i Jesoa”, hoy izy ireo. Nentaniny ny kristianina sy ny vahoaka mba hizara aina vaovao, handrava ny sarintsarim-pahafatesana mbola iveloman’ny maro. Kandidàn’ny APM Firaisankina […]

TSELATRA

Mpamaky trano iray voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohidray, kaominina Am­bohimalaza, omaly. Nahatrarana fahitalavitra, bodofotsy hatramin’ny fitaovana fampiasana manao io asa ratsy io teny amin’io jiolahy io. Nohazonin’ny zandary hatao famotorana izy. Mpangarom-paosy 11 voasambotry ny zandarimaria miasa ao Talatamaty, nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny paka teo. Tratra teny […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 21 309 ireo mpandeha tamin’ny sambo lehibe mpitondra mpizahantany tonga tao Antsiranana hatramin’ny nanombohan’ny «saison des croisières». Manodidina ny 10 ihany koa ireo sambo vaventy nigadona teny amin’ny seranan-tsambon’Antsiranana sy ny Nosy Hara nanomboka ny volana novambra 2023. Mampitombo 47 % ny taham-panondranana mankany amin’ny tsena Afrikanina ny fanatanterahana […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo, ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tetikasa haratonaina iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola toy ny Banky iraisam-pirenena. Mitondra tantsoroka ho an’ireo ankohonana marefo sy ny tantsaha ary ny faritra iharan’ny loza voajanahary ny tetikasa. Namoaka fanambarana ny Holafitry ny mpitsabo nanoloana ny olana […]