Tselatra

TSELATRA

Naratra mafy ny mpandeha moto iray nifandona tamina fiara kely iray, teny Amoronakona, ny sabotsy teo. Vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ilay mpitondra moto no nahatonga ny loza. Nikasa hisongona fiara iray teo alohany izy kanjo nifanehatra tamin’ilay fiara kely avy any By-Pass. Potika tanteraka ilay moto. Nentina hopitaly kosa […]

TSELATRA

Tratran’ny zandary ny mpamaky trano iray tao amin’ny fokontany Mandrosoa-Ivato, afakomaly. Niditra tao andavarangana io olon-dratsy io ka tazan’ny mpifanolobodirindrina. Nampandre ny mpitandro filaminana ny nanatri-maso ka noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny io mpamaky trano io. Moto scooter 4T saron’ny zandary natosiky ny olon-dratsy tao Andoharanofotsy, omaly maraina tamin’ny […]

TSELATRA

Sekoly tsy miankina iray kilan’ny afo tao Anativolo, distrikan’Anjozorobe, omaly atoandro. Nirehatra tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Niezaka nifehy ny fokonolona saingy kila tsy nisy noraisina ny efitrano fianarana. Ahin’ireo mponina ao an-toerana fa niniana nodoran’olon-tsy fantatra io sekoly io. Misokatra ny fanadihadiana. Vehivavy roa tratra nangalatra voly teny […]

TSELATRA

Maty notifirin’ny jiolahy ny mpivady tao Antanetikely Ankazomiriotra, ny alahady alina lasa teo. Tao an-tranony no nanaperan’ny jiolahy azy mivady. Voalaza fa delege tomponandraikitra misahana kandidà iray hirotsaka ho depiote ilay raim-pianakaviana. Lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana ny vola 1 tapitrisa Ar niaraka tamin’ireo fitaovana sarobidy samihafa. Mitohy ny famotorana […]

TSELATRA

Fiaramanidina iray no maty motera tampoka nandritra ny fandalovany tao amin’ny vohitra Mandalova, kaominina Androhibe, distrikan’Antananarivo Atsimon­drano, omaly. Niainga avy any Fianarantsoa io fiaramanidina kely io ary nikasa hihazo ny Renivohitra. Mailo ny mpanamory ka tafapetraka soa aman-tsara tety an-tanety izy ireo. Fiara tsy mataho-dalana nitondra mpiara-dia amin’ny kandidà mirotsaka […]