Velaran-tany 2 ha kilan’ny afo tao Anjoromandry Mangabe, fokontany Ambohimanga, kaomininina Ambohimanga Rova, ny alarobia 7 mey teo. Lehilahy nahavanon-doza nosamborin’ny fokontany sy ny zandary. Notanana vonjimaika any am-ponja. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny kaominina Maritampona, afakomaly. Nikasa hangalatra omby niaraka tamin’ny namany izy kinanjo nandrasan’ny […]
Tselatra
TSELATRA
Tovovavy iray 16 taona voalaza fa mpamosavy no tratran’ny miaramila tany Andilamena, omaly. Niboridana tanteraka izy io nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny ampijalian’ny mpamosavy isaky ny alina ireo miaramila any an-toerana ka izao tsy namela nahazo izao. Efa nalefa any amin’ny lehiben’ny fokontany ity farany taorian’izay ka […]
TSELATRA
Notanana vonjimaika am-ponja, afakomaly, ilay ramatoa nahatrarana rongony 75 gony, nilanja 1252 kg, tao amin’ny kaominina Analamary, distrikan’i Betroka. Vadin’ny sefon’ireo ekipa nitatitra ny entana io ramatoa io. Lavon’ny zandary i Grégoire, ilay dahalo raindahiny amin’ny vaky trano sy fandrobana tao amin’ny kaominina Ankadinondry, ny 5 mey teo, tamin’ny 11 […]
TSELATRA
Nifanenjehin’ny olona saingy tsy tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny fanendahana sady mpisintona finday anaty taxi-be, omaly, teny Anosibe. Mitsofoka anaty elanelan-trano ry zalahy ary efa misy olona manafina azy, araka ny filazan’ireo mahafantatra azy ireo. Tsy sahy mitoroka ny olona noho ny tahotra ka vao mainka manao ny ataony […]
TSELATRA
Notafihin’ny jiolahy miisa telo ny sabotsy lasa teo, ny lehilahy iray mpanao Cash point tany Begavo I, Ambanja. Efa handeha hody izy no nambanana sy notifirin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny basy. Voan’ny bala teo amin’ny sorony havanana sy ny saokany io lasibatra io. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola 2 […]




