Nahitana taolam-paty maromaro tao anatin’ny farihin’Andranomaimbo, fokontany Antsenakely, omaly maraina. Nofonosina tao anaty bodofotsy ireo taolam-balo ary nalatsaka tao anaty rano. Mpanala tsikafona no nahita ny tranga sy niantso tomponandraikitra. Taolan-dava avy amin’y razana telo no hita rehefa nosavaina. Taolam-paty efa misy may ihany koa izany. Tonga teny an-toerana ny […]
Tselatra
TSELATRA
Zazavavy 7 taona namoy ny ainy vokatry ny haintrano tao Ambohitsilaozana, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Mpivarotra lasantsy ny reniben’io zaza io. Nandraraka lasantsy ilay ramatoa kinanjo nahazo afo tampoka. Nirehitra tanteraka ny trano ka maty ny zafikeliny. Hatry ny omaly, mbola voatsindr’ilay kamiaobe ny vatan’ireo olona telo voalaza ho namoy ny ainy, taorian’ny […]
TSELATRA
Nitrangana vaky fasana tany Androhimainty, fokontany Antranoroa, kaominina Soavinandriana, omaly. Mpiandry omby sendra namerina omby no nahita ny fasana efa nisokatra ka niantso tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena. Voamarina nandritra izany fa razana 23 no very sy lasan’ireo olon-dratsy. Olona telo mianaka […]
TSELATRA
Nitrangana haintrano tany amin’ny fokontany Mangily, Toliara II, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Nitsoaka mafy ny rivotra ary niitatra haingana be ny afo. Vokany, olona efatra niara-namoy ny ainy. Nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo. Ankoatra izay, trano 10 mahery ihany koa no rava sy kilan’ny afo tanteraka. Lehilahy […]
TSELATRA
Nitrangana haintrano indray tany Andranomena, Fandriana, omaly tolakandro. Noho ny herin’ny fitsokan’ny rivotra, niitatra haingana ny afo. Vokany, may kilan’ny afo ary tsy nisy azo noraisina ny entana rehetra tao anatiny. Raha ny fanazavana voaray, avy amin’ny fako nodorana izay nentin-drivotra ny niaingan’ny firehetana. Marihina fa tsy nisy ny aina […]





