Other News

Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy: “Mitady vahaolana amin’ny olan’ny vahoaka ny filoha”

Anisan’ny nitondran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera, Lalatiana Rakotondrazafy fanazavana ireo manahirana ny vahoaka sy ny vahaolana avy amin’ny fanjakana. Anisan’izany ny lalana sy ny delestazy. “Tena mitady ny va­ha­olana amin’ireo mampikaikaika ny vahoaka ny filoha sy ny praiminisitra”, hoy izy tao amin’ ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano […]

Raharaha Raissa : manaratsy endrika ny tontolon’ny fitsarana malagasy

Anisan’ny raharaham-pitsarana mahoraka amin’izao fotoana izao ny « raharaha Raissa ». Nomelohin’ny fitsarana 7 taona an-tranomaizina, manao asa an-terivozona ity renim-pianakaviana ity, rehefa voampanga ho nikasa ha­mono olona. Etsy ankilan’izay, miampanga ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara ambony ho mpanao kolikoly, naka ny volabeny izy. Mifamotika eo ny […]

Fialofan’ny marefo hoe… ?

Teny filamatry ny fitsarana malagasy ny hoe fialofan’ny marefo. Raha vao miditra ny Lapan’ny fitsarana dia izay no mitsena. Toa miakatra ho azy ny moraly. Velom-panantenana izany ireo olona an’arivony isan’andro, tonga eny amin’ny tribonaly. Iza tokoa no tsy ho sodokan’izany fehezanteny izany? Indrindra ireo efa iharan’ny tsindrihazolena sy ny […]

Moto tsy misy jiro nifandona: olona iray maty, roa naratra mafy

Nampihoron-koditra! Maty tsy tra-drano ny iray tamin’ireo mpitondra moto nifandona tao anaty haizina teny Ambodimanga Analamahitsy, ny alakamisy alina teo. Maratra mafy kosa ny roa lahy tamin’ilay moto faharoa… Maty tsy tra-drano tao anaty haizina ny mpitondra iray vokatry ny fifandonan’ny moto roa teny Ambodimanga Anala­mahitsy, ny alakamisy alina teo. […]

Nidoboka am-ponja eny Antanimora : inspektera sandoka tratra teo am-pangalarana moto

Naiditra am-ponja vonjimaika omaly, ireo roa lahy nangalatra moto tetsy Am­pasika. Naka taxi-moto, niala teo Antanimena ka hihazo eny Ampitatafika ny mpisoloky iray. Nitonontena ho inspektera io lehilahy io. Matahotra entina moto anefa izy, raha ny nambarany tamin’ilay tompona moto ka nangataka hitondra izany. Maim-bola, nanaiky ilay tompona taxi-moto ka […]