Other News

Itaosy…: tratra ireo jiolahy mpaka an-keriny

Tsy nahomby ny fikasan-dratsin’ireto jiolahy nanao fakana an-keriny teny An­dra­nonahoatra Itaosy, afakomaly. Olona roa indray tratra (vehivavy sy lehilahy) raha mbola eo am-pikarohana ny roa lahy hafa kosa ny zandary. Mpiasa tao an-tranon’ny ray aman-drenin’ilay nalaina an-keriny ihany ireto nahavanon-doza ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ ny borigadin’Itaosy, amin’ny […]

Tanaty tranon’afokasoka… : tovolahy tratra nitondra héroïne

Mahita hirika foana ! Hatolotra ny fampanoavana, aorian’ny famotorana azy, ity lehilay iray tratra nitondra héroïne teny amin’ny Lakandranon’Andriantany Antohomadinika, omaly ity. Ny polisy avy ao amin’ny poste avancé Ilanivato no na­hasambotra azy. Voarohirohy ho mpivarotra sy mpanao trafikana zava-mahadomelina “héroïne” izy. Tsikaritr’ireo polisy manao fanamiana sivily manao ny asa teny […]

Ampahateza – Ambohipo : telo lahy hita tao anaty sahan-drongony

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP2), Ambohijatovo Ambony, teny Ampahateza/Ambohipo, omaly tamin’ny 8 ora maraina, ny jiolahy efatra voarohirohy ho mamboly sy midoroka ary mivarotra zava-mahadomelina. Nahazo loharanom-baovao ny polisy miandraikitra iny faritra iny fa misy olona mamboly zava-mahadomelina eny amin’iny faritra Ampahateza iny. Nidina teny […]