Tsy totohondry sy daka fotsiny ny kung fu Wisa fa ny ara-panahy indrindra indrindra (méditation). Hisy ny famelabelaran-kevitra hataon’ny Maitre Mickael, mpikatroka Kung fu Wisa, ny alahady ho avy izao, ao amin’ny Dojo Aska. Manam-pahaizana amin’ny resaka ara-tsaina, nivoaka tao amin’ny Oniversite Clermont Auvergne, ity Maitre ity. Lohahevitra hovelabelariny, araka […]
Other News
Basikety-fifanintsanana“World Cup 3×3” : hihazo an’Israely ny 2 mey ny Ankoay vehivavy
Nanomboka, nikotrana indroa isan’andro, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy, basikety 3×3, hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao any Israely, ny 6 sy 7 mey izao. Ny 2 mey izao kosa no hanainga ny delegasiona malagasy, miisa 6. Hahitana ny filohan’ny delegasiona, Randriana Mihary, ny mpanazatra, Razananirina Prisca ary […]
“Madagascar Wrestling Megaweek 2023” : mampiofana mpanao tolona eto amintsika ireo vahiny 4 mirahalahy
Notanterahina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, omaly, ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika “Madagascar Wrestling Megaweek 2023”. Nizara ny traikefany teto amintsika ireo manam-pahaizana manokana vahiny, efatra mirahalahy. Marihina fa efa nanomboka ny 20 avrily lasa teo ny fiofanana, ary hifarana amin’ny 30 avrily izany. Vahiny manana ny lanjany tokoa izy […]
« Barthes Trophy 2023 »: lavon’i Côte d’Ivoire ny Makis de Madagascar
Tsy nahomby indray ny Makis de Madagascar nandritra ny fifanintsanana « Barthes Trophy U20 », 2023, taranja rugby aty amin’ny kaontinanta Afrika. Niondrika tany amin’ny ora farany ny Malagasy, resin’i Côte d’Ivoire, tamin’ny isa 16 no ho 11. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Nyayo National Kenya, omaly. Raha hiverenana ny lalao, niady […]
Rugby Afrique : voatendry ho komity mpanatanteraka Rakotomalala Marcel
Manana olona miasa ao anatin’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny Rugby Afrique ny baolina lavalava malagasy. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana Rakotomalala Marcel Joseph, filohan’ny Malagasy rugby. Voatendry ho anisan’ireo mpikambana eo anivon’ny komity mpanatanteraky ny Rugby Afrique, ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel Joseph. Nampahafantatra izany tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy nalefany […]






