Other News

Opération « Tselatra » : dahalo nahatrarana Kalack

Nahitam-bokany sahady ny hetsika « Tselatra » izay ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Tratran’ ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana (ZDS) Pangalana ny dahalo raindahiny nampitondra faisana ny mponina ao Andrebakely, fokontany Anjiro, kaominina Tanam­bao Besakay, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fa­nafihana sy fandorana trano enina tao Faravohitra, ny 23 novambra 2023, ity […]

Jly Sahivelo Delphin : nankahery ireo miaramila mpampandry tany

Mitohy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny Tafika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana… Manara-maso ny fi­zotry ny hetsika fampandriana fahalemana “Tselatra” ataon’ireo miaramila ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ireo mpiara-miasa aminy. Na­nao tomban’ezaka ny […]

Fifidianana filoham-pirenena : vonona ho kandidà ny depiote Masy Goulamaly, raha ilaina izany

Iza izy ? Ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc. Manambady ary ma­nan-janaka efatra. Anisan’ny sakafo tiany ny haninkontrana : katsaka, vomanga, mangahazo. Eo koa ny anana sy ny angivy. Fialamboliny ny mikarakara ireo voninkazony. Anisan’ny fanatanjahantena tiany ny “Ping-pong”. Tia ny gadona sy hira klasika, ny beko sy tsinjake, […]

Ravalo tao Ambanja: “Hajaina ny fenitra demokratika”

Nitohy tany Ambanja ny dian’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nentaniny hatrany hanamarina ny anarany na hisoratra any amin’ny fokontany ireo mpifidy. Noha­zavainy koa anefa ny momba ny fifidianana. “Efa manana vahaolana hampiharina ao­rian’ny fifidianana isika, manoloana izao manjo ny firenena izao. Hajaintsika anefa aloha ny fenitra demokratika sy […]

Fandraisan’ny filoha Rajoelina ambasadaoro telo : hanohana ny angovo i Italia sy Espana ary Norvezy

Nandray ny taratasy manendry ireo ambasadaoro telo teny Iavoloha ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nohamafisina tamin’izany ny fiaraha-miasa amin’i Italia sy Espana ary koa ny fanjakana norvezianina. Anisan’ny noraisin’ny filoha tamin’izany ny masoivoho vaovaon’ny fanjakan’i Espagne, Rai­mundo Robredo Rubio. Ani­san’ny fiaraha-miasa noresahana ny hanatsarana ny fifandraisana. Eo ny sehatry ny […]