Other News

rafitra ara-tsakafo : lalana ho an’ny fahavitan-tena

Hanomezana sakafo ara-pahasahalamana sy takatry ny rehetra, maharitra ary mamaha ny olan’ny hanoanana. Ireo no dinika napetraka ho fanaingana sy hirosoana amin’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara. Natao tetsy amin’ny mi­nisteran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly. Araka izany, nisy ny fanadihadiana natao niaraka tamin’ireo mpi­ara-miombon’ antoka amin’ity sehatra ity. […]

Fitrandrahana fasimainty : tsy miantraika amin’ny mponina ny rano ampiasain’ny Base Toliara

Efa nanazava mikasika ny fiantraikan’ny rano ataon’ny tetikasa Base Toliara any Ranobe Toliara, Rakotondrai­nibe Harivelo, ny teknisian’ ny rano, ny taona 2022. Nam­barany fa tsy miantraika amin’ ny loharano manodidina ny faritra itrandrahan’ity orinasa ity izany amin’ny habetsahana sy ny kalitao. Manamafy iza­ny ny teknisian’ny rano, Ra­zafintsalama Rolland Pas­cal Edouard, […]

Paositra Malagasy : nahazo fampitaovana avy amin’ny UPU

Kamio mahazaka hatra­min’ny 10t miisa efatra, moto 25 ary Bajaj miisa 10. Ireo no fampitaovana azon’ny paositra malagasy, omaly, avy amin’ ny “Union postale universelle” (UPU), mba hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa manerana ny Nosy. “Mariky ny fanatsarana sy porofo ny fahatokisan’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena momban’ny asa ataon’ny paositra malagasy […]