Hanomezana sakafo ara-pahasahalamana sy takatry ny rehetra, maharitra ary mamaha ny olan’ny hanoanana. Ireo no dinika napetraka ho fanaingana sy hirosoana amin’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo eto Madagasikara.
Natao tetsy amin’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, omaly. Araka izany, nisy ny fanadihadiana natao niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ity sehatra ity. Nandray anjara tamin’izany ny “organisation des nations-unies pour l’alimentation et l’agriculture (FAO) avy ao amin’ny “Shamba centre for food & climate». Isan’izany koa ny «institut international de recherche sur les politiques alimentaires». Voalaza nandritra izany ny fanatsarana sy hahazoana ny fomba fisakafoanana mety ho an’ny rehetra indrindra manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. “Ny rafitra ara-tsakafo dia misy fifandraisana amin’ ny famokarana, fanodinana, fahazoana tsena, eny hatramin’ny famatsiam-bola”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Raharinomena Fanja.
Tanjona, hoy izy, ny hamaritana ny fandraisana andraikitra mahomby sy maharitra amin’ny fiatrehana ny hanoanana. Eo koa ny fijerena ny fidiram-bola avo roa heny ho an’ireo tantsaha. Araka izany, hisy ny fanadihadiana ataon’ireo mpiara-miombon’ antoka momba ireo sehatra ireo. Ho jerena ihany koa ny modely ara-toekarena hamaritana ny asa sy ny tolo-kevitra momban’ny fampiasam-bola.
Henintsoa H.




