Efa nanazava mikasika ny fiantraikan’ny rano ataon’ny tetikasa Base Toliara any Ranobe Toliara, Rakotondrainibe Harivelo, ny teknisian’ ny rano, ny taona 2022. Nambarany fa tsy miantraika amin’ ny loharano manodidina ny faritra itrandrahan’ity orinasa ity izany amin’ny habetsahana sy ny kalitao. Manamafy izany ny teknisian’ny rano, Razafintsalama Rolland Pascal Edouard, antsoina hoe “Balloula”. Zanaky ny faritra Atsimo Andrefana sy ny distrika iasan’ny Base koa izy.
Ara-teknika, nambarany fa 470 mm ny salanisa isan-taona ny fikorinan’ny rano amin’ny sahandriaka any Ranobe. Manome 116 mm ny fiovan’ny rano ho lasa entona (ETR) raha mahatratra 30°C ny salanisan’ny maripana isan-taona any an-toerana. Midika izany fa misy ambin-drano (Pe) 354 mm mikoriana any amin’ny sahandriaka.
Tsy atahorana ho ritra
ny rano
Karazany telo ny endriky ny nofon-tany mitroka ny rano any Ranobe. Misy sosona tany manelanelana azy ireo, izay tsy andairan’ny rano (“marnes”, tanimanga,…). Tsy miantraika amin’ireo nofota ny fisintonana rano ataon’ny Base avy any ambanin’ny tany. Tsy mahakasika ny rano ilain’ny mponina (sotroina sy ho an’ny fambolena sy fiompiana), ka tsy atahorana mihitsy ny haharitra ny rano. Tsy isan’andro no mitroka rano avy any ambanin’ny tany ny Base, sady tsy mandavan-taona. Averiny ahodina indray ny rano efa nampiasaina avy amin’ny fanadiovana ny akora-tany, manodidina ny 60-80%. Ampy tsara ary mihoatra aza amin’ny filàn’ny mponina sy ny orinasa ny rano mirotsaka isan-taona any anaty nofon-tany.
Teknolojia “Paddock system”
Manaraka ny teknolojia elektrostatika ny fanivanana ny akora-tany sy fasika hakana ny fasimainty trandrahan’ny Base Toliara. Misy ny fotodrafitrasa manokana aorina, mitahiry ny akora-tany sy fasika hodiovina amin’ny rano, antsoina hoe “Paddock system”. Araka ny didim-panjakana mikasika ny rano, tsy miantraika amin’ny fahasalamana amin’ny rano fisotro ny karazana akora samihafa (fer, titane, zircon). Manamafy ny tatitra nataon’ny Ivotoerana nasionaly mikasika ny siansa sy ny teknolojia nokleary (INSTN) ireo.
Fehiny, tsipihin’ity zanak’ Atsimo Andrefana ity fa feno ny fepetra tokony hanokafana indray ny Base Toliara. Sady hitondra fampandrosoana ara-toekarena any an-toerana rahateo no hampiroborobo ny sehatra hafa (fisakafoana sy ny trano fandraisam-bahiny, fanofana fiara,…), ny fanofanana ny tanora any Toliara ary hanome asa maro mivantana sy tsy mivantana.
Njaka A.
Efa nitana andraikitra ambony maro izy teo amin’ny sehatry ny rano sy ny fidiovana. Anisan’izany ny tao amin’ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), efa talem-paritry ny Rano Anosy sy Androy, mpikambana tao anatin’ny vaomiera fanaraha-maso ny tontolo iainana ny tetikasa QMM.




