Other News

Depiote Raholdina Naivo: “Tsy misy Tetezamita intsony eo”

«Milaza amin’ny vahoaka izahay fa tsy misy Te­te­zamita intsony, fa efa ao anatin’ny fanomanana fifidianana isika», hoy ny depiote IRD, Raholdina Naivo, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fanambaran’ireo depiote 15 hoe tsy itokiana hitsara fifidianana ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka. Fi­kambanan’ny […]

Ambatomirahavavy: lehilahy nahatrarana entana halatra

Saron’ny mpitandro filaminana teny amina lehilahy iray ny entana halatra toy ny zavamaneno roa , vatoaratra, niampy fitaratra fiton’ireny fiara sprinter ireny tetsy Ambatomira­hava­vy, ny alin’ny alakamisy teo. Nanao fisafoana amin’ny alina, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary ny telo lahy samy nitondra entana teny aminy. Nirifatra nandositra avy hatrany izy ireo […]

Fahasimban’ny tontolo iainana : tafiditra anatin’ny faritra mena i Madagasikara

Tafiditra anatin’ny faritra mena amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasi­kara, raha ny tatitra navoa­kan’ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) tamin’ny 2020. Mahatratra 15000 isan-taona ireo zava-mananaina ahina ho lany tamingana eto Madaga­sikara nanomboka ny taona 2022. Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Am­pefiloha ny hetsika iraisam-pirenena […]

Ambatovy : sahona 1800 eny amin’ny tontolo voajanahary

Sahona « Mantella aurantiaca » izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara 1 800 ma­hery no naverina eny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy, ho fiarovana sy fampitomboana ta­ranaka ity karazana sahona ity. Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fitandrovana ny voahary (UICN)* ho anisan’ireo biby tandindonin-doza […]