Tsy namelan’ny fokonolona sy ny zandary, avotra soa aman-tsara ireo omby miisa 11 nalain’ny dahalo tao Amparihimanga, kaominina Mananasy, anatin’ny distrikan’i Soavinandriana, ny zoma 24 marsa teo. Nentin’ny dahalo nitrongo fitaovam-piadiana ireo omby ireo tamin’io. Nirifatra nandositra ny olon-dratsy niaraka tamin’ireo omby. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona. Nanampy azy […]
Other News
Famonoana mpiandry: jiolahy iray lavo iray hafa azo velona
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha namonoana ilay renim-pianakaviana sady mpiandry ao amin’ny FLM Soatanana fokontany Ambohitrevo, kaominina Tovona, distrika Farafangana, herinandro lasa izay. Ny alakamisy teo, voasambotra taorian’ny velam-pandrika nataon’ny zandary mpanao famotorana ny roa lahy ahina ho nahavanon-doza. Fantatra amin’ny anarana Medy sy Olo ireo jiolahy tratra. […]
Itaosy : lehilahy tratra namboly rongony
Tratran’ny polisy teny Ambolotara Itaosy, ny sabotsy teo, ny lehilahy iray voarohirohy ho mpanao trafikana zava-mahadomelina. Mamboly sady mivarotra izy. Nanao hetsika manokana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy noho ny firongatry ny zava-mahadomelina eny an-toerana. Nisy paikady nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ireo nanao fanamiana sivily. Lehilahy iray no voasambotra tao […]
Ambodivona Ankadifotsy : mpanendaka roa lahy nitondra antsy maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambodivona, omaly. Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy mpanendaka, anisan’ireo mampitondra faisana ny mpiara-belona eny an-toerana. Maro ny lasibatrin’ ireto mpanendaka ireto ary mampikaikaika ny maro ny asa ratsiny. Tao ny very entana, nisy koa ny naratra sy namoy ny ainy. Maro ihany koa ny fitarainana […]






