Other News

Savorovoro politika : manomboka ny herisetra sy ny fifampihantsiana

Tsy vitan’ny fifanasana vangy sy fitakiana mamory vahoaka intsony ny hetsika politika na sosialy eto Madagasikara. Tonga any amin’ny fifampihantsiana sy fikasihan-tanana izany. Romotra ny vahoaka! Voadaroka sy nendahin’ny olona ny lehilahy iray, mpamily Bajaj, niakanjo vonimboasary, nisy sarin’ny Filohan’ny Repoblika tany Sambava, omaly. Nosamari­ta­­han’ny fokonolona, naneho fa­hatezerana noho ny […]

Vontovorona : mpianatra mianadahy voasambotra

Mihamafy ny fifandonan’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana eny amin’ny Poli­tek­nika Vontovorona. Omaly, niditra tany anatin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso. Ni­laza ny mpianatra fa nisy vehivavy naman’izy ireo no­darohan’ny mpitandro filaminana. Mpianatra telo hafa nosamborina. Nanamafy kosa ny zandary ao an-toerana fa mpianatra mianadahy anisan’ireo […]

Kaominina Befotaka : dahalo iray maty, omby 41 tafaverina

Ravan’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo kalony ny halatr’omby nataona andian-jiolahy tao An­kapilaboara, fokontany Ilaza, kaominina Befotaka , ny alakamisy 16 marsa teo. Nirongo fitaovam-piadiana, miisa 32 ireo dahalo nanao fanafihana. Voaroba ny omby 55 ka nirifatra nandositra izy ireo. Nampandre ny zandary eny an-kianja avy hatrany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. […]

Ambohimanarina: mpamongady rongony nahatrarana 201 kg

Mamatsy rongony an’ Antananarivo ! Noraisim-potsiny ny olona dimy niaraka tamin’ny rongony 201 kg tetsy Ambohimiadana Am­bohi­manarina, afakomaly. Na­haray vaovao avy amin’ny tsara sitrapo, nanao ny fanadihadiana nahafahana namongotra ity tambazotra mpivarotra rongony ity, ny eo anivon’ ny zandary. Voamarina fa misy mpivarotra rongony ikoizana tokoa ao amin’io toerana voalaza io. Nahazo […]

Miarinarivo : voafonja miasa manatsara tanàna

Miara-mientana amin’ny fampandrosoana ny tanàna ireo voafonja ao Miarinarivo. Mandray anjara mivantana amin’ny alalan’ny fanamboarana ny lalana « pavé » izy ireo. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana toy ny Governora Maherizo Andria­manana, ny DREFTP Itasy, ny kaomisarian’ny polisy Miari­na­rivo, ny ben’ny Tanànan’i Miarinarivo ary ny fandraharahana ny fonja. Miasa […]