Namoaka fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, ny eo anivon’ ny antoko MFM, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rakotovazaha Olivier, omaly. “Tsy ho avy hanatrika ny fihaonambe karakarain’ny Ceni izahay. Tsy mba anisan’ny noraisin’izy ireo ny tolo-kevitray ka tsy ho tonga hanamasina ny tsy fahombiazany ny MFM”, hoy izy. Nohitsin’ izy ireo fa tokony […]
Other News
Fanentanana ny mpifidy : hamory vahoaka eny Ambohimanarina indray ny Tim
Hitohy ny faran’ny herinandro izao indray ny hetsiky ny antoko Tim. Hotanterahina eny amin’ny tokotanin’ny depiote Andriamampandry Todisoa eny amin’ny boriborintany fahenina izany. Nambaran’ny depiote Razara Pierre “Del kely” tao amin’ ny fandaharana “Miara-manonja-MM”, omaly, fa efa niantso ny eny anivon’ny distrika fahenina, amin’izao hetsika hatao izao ny depioten’Ambohimanarina. “Ho […]
Fakan-kevitry ny Ceni : handray anjara ny Hiffim
“Ny rafi-pifidianana sy ny rafi-panjakana no tsy mety, mahatonga an’izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao. Tsy azo tohizana intsony izany ary tokony tsy ho azo leferina”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, teny Alarobia, omaly, momba ny hahatongavan-dry […]
Na nivoaka aza ny mpanohitra… : tsy voatohintohina ny dinika notarihin’ny Ceni
Tsy nanakana ny firosoan’ny dinika teo anivon’ny Ceni ny nivoahan’ny mpanohitra ny efitrano, omaly teny Alarobia. Voaresaka ny dingana samihafa momba ny fitsirihana ny rindrambaiko. “Hanao ny fitsirihana ireo dingana nenti-nanatanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy no anton’ny fivoriana. Ny rindrambaiko ampisaina amin’izay no niarahana nifanakalo hevitra amin’izay […]
Fitsirihana rindrambaiko : nivoaka ny efitrano fivorian’ny Ceni ny mpanohitra
“Tsy feno hatramin’izao ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny vondron’ ny mpanohitra talohan’ny nivoahan’izy ireo ny efitrano fivoriana teny Alarobia, omaly, mialoha ny fandinihana izay dingana sy fomba hanaovana fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Anisan’ny nanao sonia izany […]






