Other News

«Multidanse» : nahazo medaly volafotsy ny Malagasy

Tsy nitsanga-menatra ihany koa ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana “Championnat Multidanse” natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo medaly volafotsy i Toky sy i Valencia, izay nankasitrahan’ny mpitsara manokana ny fahaizan’izy ireo. Tsiahivina fa fanasana avy amin’i La Réunion ny nahafahan’i Madagasikara nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, […]

«Ligue des Champions»: hihaona amin’ny Manchester City ny Leipzig

Hotanterahina manomboka anio ny lalao ampahavalon-dalana miverina ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions” (LDC). Hihaona amin’izany ny Manchester City, Anglisy sy ny Leipzig, Alemà. Fi­fa­nandrinana hatao ao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium. Azo heverina fa hiady ny lalao, samy tsy manana tombony amin’ny isa ny roa tonta. Nandritra […]

Judo-Junior : laharana faha-4 eran-tany Rasoanaivo Laura

Nampiakatra ny laharany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny nandrombahan-dRasoanaivo Razafy Laura ny medaly volamena 2, nandritra ny fifaninanana “Open de Tunis African Cup”, taranja Judo. Fifaninanana natao tany Tunisie, ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra laharana faha-4 eran-tany, eo amin’ny sokajy Junior, araka izany, ity Judoka malagasy ity, noho ny vokatra […]