Maro ireo mpanakanto Malagasy nihodina tany ivelany, nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Angamba kosa tsy nisy nahavita ny nataon-dry Mbola Talenta, Fanilo Poppin’s, Inah ary Mirana, raha ny isan’ny fiakarana an-tsehatra no jerena. Am-polony maro ary tsy nisy herinandro tsy niakarana an-tsehatra izy ireo. saika voatety i Frantsa ary […]
Other News
Tana design Week : hifototra amin’ny sekoly ny hetsika
Notanterahina ny alarobia 08 marsa 2023, teny amin’ny Campus Telma, Andraharo, ny fampahafantarana ny hetsika “Tana design Week” andiany faharoa. Hivelatra kokoa amin’ny any ivelany ny hetsika amin’ity andiany ity. Hisy ny vahiny avy any ivelany ho avy eto Madagasikara. Lohahevitra amin’ity taona ity ny “Ary raha”, dikanteny avy amin’ny […]
Miss Maman : naneho ny tsara avy aminy ny mpifaninana
Tontosa omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM), Antsahavola, ny filatroana voalohany natrehan’ny mpandray anjara tamin’ny hetsika “Miss Maman Madagascar”. Nifandimby nilatro, naneho ny famoronany avy ny mpandray anjara manodidina ny 30 isa. Anisan’ny fepetra nifaninanan’izy ireo ny fanarahana ny lohahevitra “Comme une reine”. Naneho ny famoronany manokana ny mpifaninana […]
Noho ny tetiky ny mpanjanaka: voky lainga ny vehivavy malagasy
Omaly 8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ». Nankalaza izany ihany koa ny teto Madagasikara. Tsy nanaotao foana ry zareo vahiny nametraka ireny karazana andro hankalazaina ireny fa misy antony ao ! Tangorom-behivavy tetsy, fihaonan’ny vehivavy teroa… Samy nanana ny endrika nanehoany ny fankalazana ny 8 marsa, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny […]
Fitohanan’ny fifamoivoizana : 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka
Misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Tombanana 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fitaterana, araka ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Fatiantoka 0,34 % amin’ny harinkarena faobe. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena ihany, ny Renivohitr’i Madagasikara laharana faha-134 amin’ireo 150 tanàn-dehibe indrindra. Misy ampahan-dalana […]






