Hanampiana ireo vehivavy mpandraharaha malagasy hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsena amerikanina, hanatontosa atrikasa ho an’ ireo vehivavy mpandraharaha ny eo anivon’ny American chamber of commerce in Madagascar (AMCHAM). Hanampy ireo vehivavy malagasy mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena hiditra eo amin’ny tsena amerikana izany. Hianatra ny fomba sy ny fifandraisana […]
Other News
Taona 2022 : nitombo hatrany ny vary nafarana
Nitombo ny vary nafarana tamin’ny 2022 raha ampitahana tamin’ny 2021. Taona 2022 no nahitana vary nafarana be indrindra, 632 125 t, araka ny tarehimarika nomen’ ny Trade Map. Volana nifandimby, marsa sy avrily tamin’ ny taon-dasa, ohatra, nanantombo 35 % ny vary nafarana tamin’ny volana avrily teo am-piandrasana ny taom-pijinjana 2022, […]
Fiompiana: tsy ampy ny vokatra ronono eto Madagasikara
Fihariana iray mampitombo ny vola miditra sy harinkarem-pirenena ny famokarana rononon’omby. I Madagasikara anefa tsy mamokatra afa-tsy 50 tapitrisa litatra isan-taona, nefa ilaina ho an’ny fanjifana manontolo, tombanana ho 14 tapitrisa litatra. Tsy ampy ny vokatra rononon’omby eto Madagasikara. 50 tapitrisa L isan-taona raha tokony ho 140 tapitrisa litatra isan-taona […]
Antsiraraky, Belo : zandary iray ahina ho nitifitra nahafaty mpianaka
Nisehoana tranga mampiahiahy tany Belo, ny herinandro lasa teo, ka mampitaraina ny mponina any an-toerana amin’izao fotoana izao. Niseho tao amin’ny tanànan’ Antsiraraky izany. Voalaza fa mpianaka, 65 taona sy 35 taona no ahina ho notifirina zandary iray, tao amin’ny borigadin’Antsoha, any amin’ny Poste Avancé an’ny zandary. Nangatahan’io zandary io […]
Baomiavotse Raharinirina: hanohy ny fanompoana ny taninjanaka
Amin’ny maha olom-pirenena miavotra sy mivoy hatrany ny fivoarana lovain-jafy, nandefa hafatra tamin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Rtoa Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Izy moa dia efa minisitry ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy. Ary farany teo izy dia talen’ny Fiadidian’ ny Repoblika. Nametra-pialana tamin’ny fomba mihaja tamin’io toerana io […]






