Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena ny fametrahana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Anisan’ireny ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny firenena mampihatra ny fenitra, fametrahana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany vaventy (EITI), i Madagasikara. Natao teny amin’ny Business Mining Ivato, omaly 09 febroary, ny fivorian’ny vaomieram- pirenena […]
Other News
Faritra Analamanga: voalohany Manjakandriana amin’ny famokarana
Manjakandriana, distrika voalohany amin’ny faritra Analamanga nahazo fanohanana voalohany ny tantsaha ao aminy mpiompy tantely. Mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena ny tantsaha. Natolotry ny minisiteran’ny Indostria izany fitaovana izany, omaly. Malaza amin’ny fiompiana tantely ny distrikan’i Manjakandriana, misy ny 30 %-n’ny ala eto Analamanga, ohatra fotsiny ny ao amin’ny kaominina […]
Gasy Stand Uppers: tafaverina ny “Men in Blagues”
Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola ny hetsika “Men in Blagues”. Anio 10 febroary 2023, amin’ny 3 ora tolakandro hatramin’ny 5 ora hariva no hanatanterahana izany. Ny Gasy Stand Uppers miara-miasa amin’ny IKM no mikarakara ny hetsika. Efa manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny hetsika ara-kolontsaina rehetra. […]
Zavamaneno Malagasy: “Efa mitady ho very ny jejo voatavo”, hoy i Fafah
Ankavitsiana sisa ireo tena mahafehy azy… zavamaneno tena malagasy ary ny betsileo ihany no nilalao ny jejo voatavo. Anisan’ireo mpitendry niezaka nikaroka, namorona ary manasongadina ity zavamaneno ity i Fafah jejo voatavo. Resadresaka manokana: Gazety Taratra (*): Anisan’ireo mpanakanto miangaly ny jejo voatavo ianao. Mba azonao tantaraina amin’ny mpamaky ve […]
Madagaslam Section Tana: mitohy ny fampiroboroboana ny Slam Poésie
Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Tananarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Analakely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsika natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy […]







