Manomboka mifanaretsaka ny hevitra samihafa. Mipoitra etsy sy eroa ireo fanontaniana maro. Samy manezaka sy mandroritra ny fahalalana ao aminy ny tsirairay. Tsy mitovy rahateo ny sehatra niaingana, hany ka tsy mety mifameno ny hevitra. Raikitra ny : « ireny ka tena zavakanto » ! « Izany ka tena mpanakanto » ! « Kanto tokoa ny zava-bitan’iny olona […]
Other News
Loholona Manasoa Donat Tang : “Aleo hamita ny asany ny filoha”
“Omena malalaka hanapitra ny fe-potoam-piasana nomen’ny vahoaka azy. Ny dimy taona iasany omen’ny lalàmpanorenana azy. Aleo ny filohan’ny Repoblika hiasa ankalalahana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona voafidy tany amin’ny faritan’i Toamasina, i Manasoa Donat Tang. Lavin-dry zareo ny fomba mbola hieritreritra hoe hanao fitondrana Tetezamita aty amin’ny fotoana amaramparanana ny […]
Antoko Tim : “Hiaraha-manomana ny fifidianana”
“Aoka tsy omanina irery ny fifidianana. Andao hiara-manomana ny fifidianana ny mpiantsehatra rehetra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Rina Andriamasinoro, teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly. Taorian’ ny fihaonan’ny antoko tamin’ny birao maharitry ny Ceni no nanaovany ny fanambarana. Mba hialana ny mety ho olana rahampitso sy rahafakampitso ny amin […]
Kaominina Toamasina : ho kandidà ben’ny Tanàna Razafimanana Christian
Nanambara ny ho filatsahany hofidina ho ben’ny Tanàna ao Toamasina, ny Me Razafimanana Christian. Nambarany fa maromaro ny antony irotsahan’ny olona iray. Misy ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko na fikambanana misy azy ka atolotra sy tohanan’ ireo ny tenany. Manampy izany ny feon’ny fieritreretany fa manana herijika hifaninana ho kandidà noho […]
Vondrona Afrikanina: hivory any Addis Abeba ny filoha Rajoelina
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny Vondrona Afrikana (UA). Hotanterahina ny 18 sy ny 19 febroary izao any Addis Abeba, Etiopia, izany ary hatrehan’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ity rafitra iray lehibe aty Afrika ity. […]







