Other News

Fikarakarana ny fifidianana: mitaky ny fahaleovantenan’ny Ceni kokoa ny Safidy

Manaraka akaiky ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). Nitondra tolo-kevitra izy ireo tamin’izany. “Tolo-kevitry ny firaisamonina sivily ha­tra­ny ny hoe tokony hatao mafimafy kokoa ny fa­ha­leovantenan’ny Ceni, in­drin­dra eo amin’ny tetibola sy vola”, hoy ny tonia mpanatanteraky ny […]

Basikety – JIOI 2023 : hanala vela amin’i Mayotte ny Cospn

Hotanterahina amin’ny 13 febroary ho avy izao ny lalao iraisam-pirenena taranja basikety, izay hifanandrinan’ny Cospn Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Mayotte. Ara­ka izany, hanala vela amin’ity farany ao amin’ny kianja Palais de Sport Maha­masina, ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa resin’ny vahiny tamin’ny isa 69 no ho 61 ny ekipan’ny polisy nasionaly, […]

Barean’i Madagasikara : nankasitrahan’ny fitondrana ny ezaka vita tamin’ny CHAN

Niaka-dapa ny ekipa malagasy, Barean’i Madagasikara, omaly, rehefa avy nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika (CHAN), taranja baolina kitra, natao tany Alzeria. Nankasitraka ny ezaka vitan’izy ireo ny fitondram-panjakana. Notolorana mari-boninahitra sy nomena fankasitrahana manokana ireo mpilalao sy ny mpanazatra, ary ny ekipa teknika miisa […]

Fakana an-keriny: nitolo-batana i Dadah, naiditra am-ponja

Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana omaly, tao Ankazobe ilay dahalo ikoizana sy nampitondra faisana tao an-toerana. Nifam­pitadiavan’ny zandarimaria nandritra ny herintaona ity malaso ity ka izao tonga teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izao. “Voarohi­rohy amina trangana fakana an-keriny sy halatr’omby i Dadah. Malazabe eto an-toerana izy ka nokarohina hatry ny […]