“Tapi-dalan-kaleha ny fitondrana. Hatramin’izao, tsy misy paikady mazava ny itondrana ny firenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane. Tsy tsapan’ny fitondrana ny amin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, izay nandalo teo anivon’ny Antenimiera roa tonta tamin’ny taon-dasa. Efa mazava ny voafaritr’izany momba ny fandaniam-bola, taona 2023. Noho izany, […]
Other News
Safidy: “Sahirana be ny mpanisa mpifidy”
Efa nifarana ny fanisana mpifidy mitety ny isan-tokantrano. Naneho ny heviny momba izany ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). «Sahirana be ireo mpanisa mpifidy amin’ny fandehanana manisa mpifidy eny anivon’ny tokantranon’olona. Satria betsaka koa ny olona no tsy tratra an-trano», hoy Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tonia […]
Fitsaram-bahoaka: saika hangalatra kisoa, voakapa famaky ny lohany
Naratra mafy vokatry ny hatezeran’ny fokonolona, mpangalatra kisoa iray namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsimanao, kaominina Ivato-Centre, distrikan’ Ambositra afakomaly tolakandro. Nangalatra kisoa tao amin’io fokontany io, saron’ny tompom-biby ity lehilahy ity. Mbola nandà, arak’izany, ny tenany fa tsy mpangalatra. Tsy vitan’io, niezaka nampitahotra ireo olona nikasa hisambotra azy […]
Mandinika lalina !
Vao omaly isika no nihiakiaka tamin’ny fitarazohan’ny fidinana ifotony nataon’ny fitondram-panjakana. Nivaha omaly ihany ny ahiahy satria ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no namaky lay ny fitetezam-paritra hijerena ny sosialim-bahoaka. Nisy ny vonjy rano vaky sy ny fanampiana izay tena marefo. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fizaham-pahasalamana sy hetsika samihafa. Miroso ny […]
Filoha Rajoelina Andry: “Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”
Nitondra fanazavana, manoloana ny hevi-dison’ny sasany. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry indray tany Marovoay, omaly, ny nambarany tany Ilaka Est, Vatomandry. Nambarany tamin’izany ny hijerena ny sosialim-bahoaka. “Rehefa niteny aho hoe ajanona aloha ny fotodrafitrasa, tsy midika izany fa tsy hanao fotodrafitrasa intsony isika. Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”, […]







