Other News

Tselatra

Sambokely iray no rendrika teo amin’ny seranan-dakana tao Anosinakoko Farafangana, omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Olona telo no tao anatiny ka ny iray nitsambikina raha mbola tsy hita popoka kosa ny roa hafa, hoy ny loharanom-baovao iray. Natolotra ny fampanaovana omaly ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fivarotana […]

Rongony mahery vaika: tsy hita mazava ny misy ilay Jeneraly polisy

Hotanterahina ao amin’ny « Avenue de l’indépendance » ao Toamasina anio, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ ny DSRP ny faritra Atsina-nana teo aloha sy ny mpisolo toerana. Marihina fa nitàna io andraikitra io teo aloha ilay jeneraly polisy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika, tetsy By-pass, ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’io, voatonontonona […]

Fanafihana voasoroka : tratra ireo andian-jiolahy nikasa hamaky trano

Ravan’ny zandarimaria ao Ambatolampy ny fikambanan-jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao an-toerana. Ny talata teo tokony ho tamin’ny 08ora alina, nahazo antso ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy ao amin’ny fokontany Ambodiriana. Teo no ho eo ihany, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zan­dary. Vokany, tratra teo am-panomanana ny […]

Niaraka nangala-bilany : mpivady voasambotry ny fokonolona

Hanomboka anio ny famotorona ireo mpivady niaraka tamin’ny zanany voasambotry ny fokonolona noho ny fan­galarana tao amin’ny fokon­tany Ilanitra, Ampanenjanana, distrikan’ Ambositra. Namaky trano tao amin’io toerana io, nentin’ity raim-pianakaviana ity niaraka taminy ny zanany mbola trotroina sy ny vadiny. Nisy nahatsikaritra anefa io asa ratsin’izy mianakavy io. Raikitra ny […]

Nandeha nilalao: vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano sisa nalain’ny havany

Hita faty tao anaty rano teny amin’ny karieran’Ambohimahitsy, ny alarobia hariva teo, i Christianah rehefa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo. Nampivarahontsana. Natsin­gevan’ny rano afakomaly, teny amin’ ny karieran’Am­bohimahitsy ilay zazavavi­kely enin-taona tsy hita hatramin’ny alatsinainy teo. « To­kony ho tamin’ny 03 ora tolakandro teo no nisy nahita izy, ary […]