Other News

Kitra – «Chan 2022»: nosakanan’i Senegal ny lalan’ny Barea de Madagascar

Nifarana teo amin’ny dingana manasa-dalana ny dian’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Resin’ny Lion de Teranga ry zalahy. Noravain’ny Liona-n’i Teranga Senegal, ny nofinofin’ny Barea de Madagascar eo amin’ny fiadiana ny ho tomponda­kan’i Afrika, taranja […]

Literatiora: Ezaka ny fampodin-kasina ny teny malagasy

Tontosaina anio, eny amin’ ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velan-kevitra “Ny fombam-pitenenena mala­gasy”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Famoloana Te­lozoro, “Tanjona amin’izao ny hanokatra sehatra ifanakalozam-pahalalana mikasika ny kolontsaina sy ny literatiora ary ny teny malagasy eo amin’ ny samy mpanoratra sy izay liana amin’izany.” hoy i Si­traka Feno Tanteraka, izy izay hi­tondra […]

“Ho nofy ihany” : efa fantatra ny datin’ny fampirantiana

Taorian’ny fotoana lava niandrasana, fantatra fa amin’ ny volana Avrily 2023 no ha­na­tanterahan-dRandria­nari­velo Mahefa Dimbiniaina ny fampirantiany, eny amin’ny Institut Français de Madagas­car na IFM Analakely. Izy izay mpaka sary mpandresin’ny “Prix Paritana 2022”, tamin’ ny alalan’ny tetikasany “Ho nofy ihany”. Mbola any Frantsa, avy namita fampirantiana moa ity mpandresin’ny […]

Sehatra bagasy : hanatanteraka atrikefa i Fidimalala

Mpanakanto malagasy zokiny indrindra sady mihira no mitendry gitara. Ny asabotsy 4 febroary izao, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Ivokolo IKM An­tsahavola, hanatanteraka atrikefa bagasy i Fidimalala. Lohahevitra amin’ity hetsika karakarain’ny Sehatra bagasy ity ny hoe : « Ny dian’ny mpanakanto malagasy nitondra ny bagasy tany an-dafy (1950-1960) : Ranaivo-Ranarivelo, […]

“RDJ Mozika”: ny sanganasany no hifidianana ireo mpanakanto

Hankasitrahana amin’ny asa vitany ny mpanakanto sy ireo miasa manodidina izany. Amporisihina hanolotra ny tsara kokoa hatrany, satria izay no tanjona amin’ny “RDJ Mozika”. Efa samy miandry fatratra ireo mpanakanto! Fotoana iray hitsaran’ ny mpankafy, fa hahafahan’ny mpanakanto manao tomban’ ezaky ny zava-bitany nandritra ny taona nivalona ihany koa ny […]