Navoakan’ny kaonfederasiona afrikaninan’ny baolina kitra (CAF), ny vola homena ireo ekipa miatrika ny “Chan Algerie 2022”. Mitentina 400.000 Dolara na 1.840.000.000 Ar hatreto ny vola azon’ny Barea de Madagascar, araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Hitombo 500.000 Dolara na 2.300.000.000 Ar indray izany raha tafakatra amin’ny dingan’ny manasa-dalana […]
Other News
Fitandroana ny fandriampahalemana: tafapetraka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika
Ho fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ho fitandroana ny fandriampahalemana, tafapetraka ny ivontoerana fandrindrana ny hetsika ataon’ny Tafika eny an-kianja… Notokanan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) sady minisitry ny Raharaham- bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard, omaly ny ivontoerana fandrindrana ny hetsik’ireo Tafika […]
AFT Andavamamba : hampiranty ny kantony i Eugene Raharison
Hanatanteraka varotra fampirantiana eny amin’ny Alliance Française Antananarivo na AFT Andavamamba, ny 7 febroary hatramin’ny 24 febroary 2023, i Eugene Raharison, mpanao hosodoko sy sary. “Sourire et Sérénité” io no lohahevitra havoitrany mandritra io fampirantiana io. “Nofidina manokana ny lohahevitra ho fanehoana ny zava-misy iainan’ny olona ankehitriny sy ny fankaherezana […]
Fashionomics Africa – Lamaody: tafakatra famaranana i Sih Rakoto
Anisan’ny sehatra lehibe aty Afrika ahafahan’ny mpamorona lamaody mandray anjara ny hetsika karakarain’ny Fashionomics Africa. Taorian’ny fifanintsanana ny 23 janoary teo, fantatra fa tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe Top 12 hiatrika ny famaranana Rakotoasimbola Sitraka Harimalala na i Sih Rakoto eo amin’ny sehatry ny asa famoronana lamaody sy fitafy ary […]
Taona 2023 : hizara vaovao i Stenny
Stenny, mpanakanto malagasy mivoy ny « Rock fiderana ». Anisan’ireo nanatrika ny fivoriamben’ny mpanakanto ny talata lasa teo izy. Nandritra izany no nanontaniana ny tohin’ny lalan’i Stenny eo amin’ny mozika amin’izao fotoana izao. « Hisy vaovao maro hozaraiko amintsika mpankafy amin’ity taona 2023 ity. Hihaona matetika isika ary ho henonareo tsikelikely ny hira […]






