Other News

Fampianarana mozika: mitohy ny ezaka ho an’ny ANAC Analamanga

Tanjona ny fampiroborobona sy fanapariahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, indrindra ny avy eto Madagasikara. Talenta vaovao novolavolain’ny ivo-toerana indray ny haneho ny talentany ao anatin’ity fampisehoana ity. Tanterahina anio asabotsy 28 janoary 2023 manomboka amin’ny 1 ora tolak’andro ny fampisehoana “Anao ny sehatra”, kaonseritra tanterahin’ny mpi­anatra avy eo anivon’ny […]

Jery taratra…

Mifamahofaho ny voina sy ny vina Namela takaitra amin’ny faritra maro ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, indrindra ny ora-mijojo nentiny: ampolony ny olona namoy ny ainy sy tsy hita popoka, analiny ny traboina… Faritra maro koa no safotry ny rano, toy ny tanànan’i Morondava, Maroantsetra, Mahajanga… Eo koa ny voly safotry […]

Haka fanapahan-kevitra ny filoha Rajoelina: hiova afaka andro vitsy ny governemanta

Antomotra tahaka ny oron-tsaka ? Efa eto an-toerana ary hihazo ny fambolen-kazo any Ilaka Est, ny filoha Rajoelina Andry, anio, rehefa avy niatrika fivoriana an-tampony tany Dakar. Handray fanapahan-kevitra tsy ho ela, amin’ny ho avin’ny governemanta ny tenany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiroso amin’ny fanovana ny governemanta ny filoha amin’ny […]

Tsy ho haitraitra

Hisokatra anio amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo eto Madagasikara. Hitarika izany any Ilaka Est, distrikan’i Vatomandry ny filoham-pirenena, hotronin’ireo mpikambana amin’ny governemanta sy ny andrimpanjakana maro isan-karazany. Hazo marobe no voalaza fa hatsatoka amin’ity anio ity. Tanjona ny haha fitaratra ny ezaka ataon’ny fitondrana amin’ny adidy atao amin’ny tanindrazana sy […]

Nanana olana ara-bola: raim-pianakaviana maty nananton-tena

Nentin’ny fahadisoam-panantenana tafahoatra, niafara tamin’ny famoizam-po ny raim-pianakaviana iray nitady fanampiana tamin’ny havany saingy tsy nisy niraharaha tao Sambava, omaly. Maty nananton-tena tao amin’ny fokontany Ampandrozo­na­na, distrikan’i Sambava ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nanana olana ara-bola izy ary niezaka nitady vahaolana tamin’izany. Very hevitra anefa ny lehilahy rehefa tsy nahita […]