Niarahaba nahatratra ny taona vaovao sy nirary soa ho an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ireo delegen’ny fikambanan’ny mpivarotra ara-dalàna rehetra, omaly. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Nandritra izany, nohamafisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina fa efa maro ny fanaovan-tsoniam- piarahamiasa vitan’ny kaominina sy ny mpivarotra. “Fotoana izao hidirana amin’ny fanatanterahana […]
Other News
Fampivondronan-kery politika… Teraka ny vovonana “Lera”
Ambohipihaonan’ireo mpanao politika namondrona hery eo anivon’ny vovonana “Lera” ny teny Andoharanofotsy, omaly. Notsinkafonin’izy ireo ambony ambany ny fitantanan’ny mpitondra ny firenena. Nahitsy ny lahatenin’ny depiote Johasy Eléonore. “Lera izao, hanafahana ny jadona mihatra amin’ny vahoaka ary itsipahana ny mpitondra mambotry firenena… Lera izao hananganana ny hambo-po hamerenana ny fahefana […]
Tsy adala ny vahoaka !
Misafotofoto, tsy hita izay handraisana azy ilay raharaha politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Atao hoe mafana na mangotraka kanefa toa mangingina sy mangatsiatsiaka manaraka ilay toetr’andro. Ny filoham-pirenena kapiten’ny ekipan’ny andaniny, manohy ny asany, toa tsy mihevitra ny disadisa politika miandry azy aty ambadika. Iretsy milaza ho mpanohitra, […]
Mpirahalahy niady… Maty nolerana antsy ny zandriny
Mamo avy nikarama izy mirahalahy. Noleran’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ny zandriny. Tsy tanana ny aina, raha hamonjy hopitaly. Nosamborina ilay nahavanon-doza. Niafara tamin’ny fahafatesan’ny zandriny ny adin’ireo mpirahalahy tao amin’ny fokontany Andranolava, kaominina ambanivohitr’Antsabotsy, distrikan’i Lalangina, afakomaly. Notsatohan’ny zokiny antsy teo amin’ny tratrany ilay zandriny. Nialana nenina, […]
Mandroseza… Vehivavy iray maty natsingevan’ny rano
Taitra ny fokonolona, omaly atoandro. Vehivavy sahabo ho 50 taona teo no hita faty natsingevan’ny rano tsy lavitry ny barazy eo Mandroseza. Tsy nisy nahafantatra azy teny amin’ny manodidina. Tsy nisy taratasy namatarana azy ihany koa teny aminy, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao. Nambarany fa efa niboridana ny tapany amban’ilay ramatoa […]






