Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana, omaly, ilay teratany nizerianina voasambotra teny Mandrosoa Ivato, ny talata teo. Heloka nanenjehana azy ny resaka varotra rongony mahery vaika «cocaïne ». Nahitana ity zava-mahadomelina ity tokoa teny aminy. Nilanja 3,47g izany niaraka tamina “cristal métamphétamine” milanja 4,03g. Tamin’io fotoana io, nampiahiahy ny fihetsik’ity lehilahy ity […]
Other News
Anosy… Nandalo fampanoavana omaly ilay kaomisera divizionera
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny eo anivon’ny fampanoavana, mahakasika ilay polisy divizionera nidoroka zava-mahadomelina. Hiakatra eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana “juge d’instruction” indray ny raharaha, anio. Efa nandalo ny fampanoavana izy omaly. Noho ny raharaha goavana, hiroso amin’ny fanadihadiana lalina ny fitsarana. Saro-pady rahateo ny vesatra hanenjehana azy. Izay voasokajy ho isan’ny […]
Vonoan’olona teny Talatamaty… Jiolahy telo indray voasambotry ny zandary
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Talatamaty Ambohidratrimo ireo jiolahy telo tompon’antoka tamin’ny fandrobana narahana vonoan’olona. Namoy ny ainy tamin’izany ny teratany malagasy iray mizaka ny zom-pirenena alemà sy frantsay, ny 14 janoary lasa teo. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahafantarana fa ny efatra tamin’ireto jiolahy tratra ireto […]
Seranam-piaramanidina Ivato… Indianina nahatrarana volamena 1,5 kg
Noraisim-potsiny tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 20 janoary teo. Teratany indianina iray nahatrarana volamena tao anatina ranon-javatra sy niraikitra tamin’ny sombin-damba maromaro. Teo am-pitiliana ny entana, tsikaritry ny mpiasan’ny ladoany fa tsy mazavazava ny fisiana hamandoana tamin’ireo lamba folo teny amin’io vahiny io. Nanamafy ny fisavana, arak izany, ny mpiasan’ny […]






