Midina tsikelikely indray ny sandan’ny Ariary miohatra amin’ny euro, nanomboka ny herinandro lasa teo. Nisanda 4.602 Ar ny 1 euro ny zoma 20 janoary teo, raha 4.618 Ar ny 19 janoary. Nanomboka nitotongana ny vola malagasy ny herinandro farany ny 20 desambra 2022, nahatratra 4.671 Ar. Niha-nihena ny lanjany ny […]
Other News
Faritra Sava : karazana gidro 95 % atahorana ho lany tamingana
Nomarihan’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Gerp (1) fa mila tsara fiarovana ireo karazana gidro any anaty ala manerana ny Nosy. Tsy azo atao ny mihaza, misambotra na mamandrika azy ireny. Vao haingana ny mpiaro ny faritra arovana any Sava no nahavoasambotra olona roa tany Maintialana akaikin’i Vohémar. 46 ireo karazan-gidro […]
RN-6 : manomboka ny fanarenana
Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina RN 6, manomboka eo Ambondromamy hatreo Ambanja, mirefy 459 km. Mamatsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjitaitra sy maika (CERC). Nijery ny fanombohan’ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, ny […]
ANGOVO MAINTSO: hitarina ho 40 MW ny vokatra herinaratra ao Ambatolampy
New Energy Africa (NEA) ao amin’ny Vondrona Axian, GreenYellow, GuarantCO, African Guarantee Fund (AGF), ary Société Générale (SG), niray hina nanambatra renivola 47,1 miliara ariary (manodidina ny 10 tapitrisa euros) ho famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Samy manana ny mampiavaka azy amin’ny famokarana angovo azo havaozina ireo mpiara-miombon’antoka ireo. […]
Nosy telo tsy mbola nampiantrano ny lalao
Hatreto, firenena telo tsy mbola nampiantrano ny lalaon’ny Nosy (JIOI) dia i Comores sy i Mayotte ary i Maldives. Saika mandray anjara hatrany anefa izy ireo, na tsy mampiantrano ity fihaonana ara-mpanatanjahantena iraisan’ny Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity, aza. Efa samy nandrombaka medaly volamena daholo kosa anefa […]






